Bokin'i Joba
Joba toko 23
Ny navalin'i Joba: Raha azony hiakarana mantsy ny fiketrahan'Andriamanitra! - Fantatry ny Tompo ny fahamarinany; fa misy hevitra tsy tiany hovana.
1Dia niteny Joba ka nanao hoe:
2Eny mangidy anio ny fitarainako,
nefa mbola tampenan'ny tanako aza ny fitolokoko.
3Ah, raha mba misy mantsy hampahafantatra ahy izay hahitako azy,
sy hahatongavako hatrany amin'ny seza fiandrianany!
4Dia halahatro eo anatrehany ny momba ahy,
ary hofenoiko teny fanamarinana ny vavako!
5Ho fantatro izay hevitra mety hoentiny hanohitra ahy,
ary ho hitako izay mba mety holazainy amiko.
6Ny haben'ny fahefany ve no hoentiny manda ahy?
Tsy ho sitrany ve ny manipy maso amiko ahay?
7Amin'izay dia hifandahatra aminy ny olo-marina,
ka dia handeha aho efa voavelan'ny mpitsara ahy ho afa-mandrakizay.
8Kanjo miantsinanana aho, tsy any izy,
miankandrefana indray, tsy tazako izy.
9Manan-draharaha any avaratra izy, tsy hitako,
miafina any atsimo, tsy haiko tsinjovina.
10Fantany anefa ny lalana falehako;
raha mizaha toetra ahy izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.
11Fa nandia ny dian-tongony mandrakariva ny tongotro;
nizotra tsy mivily teo amin'ny lalany aho.
12Tsy nivily niala teo amin'ny didin'ny vavany aho,
ary ny sitra-poko nofolahiko nampanekeko ny didin'ny molony.
13Manana ny heviny anefa izy; ka iza no hampiova azy amin'izay?
Izay iriny dia tanterahiny avokoa.
14Hotanterahiny ary izay efa notendreny ho ahy;
ary tsy vitsy ny hevitra toy izany ao aminy.
15Izany no mampitebiteby ahy eo anatrehany;
rahefa mihevitra izany aho, dia matahotra azy.
16Mandreraka ny foko Andriamanitra;
mameno tahotra ahy ny Tsitoha.
17Fa tsy mba ny aizina no mihinana ahy,
na ny alina no manarona ny tavako. >