Bokin'i Joba

Toko faha-29

1 Dia mbola nanohy ny teniny indray Joba, ka nanao hoe:

2 Ah, iza re no hamerina amiko ny volana taloha, dia ny andro nitsimbinan'Andriamanitra ny fiarovana ahy,

3 raha namirapiratra teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary nitari-dalana ahy teo amin'ny maizina ny fahazavany!

4 Araka ny toetrako tamin'ny fahalehibeazako, tamin'izay namangian'Andriamanitra ahy tamim-pifankazarana tao an-daiko,

5 sy mbola nomban'ny Tsitoha ahy, ary nitangoronan'ny zanako manodidina ahy;

6 tamin'izay nanasako tongotra tamin'ny ronono; sy namoahan'ny valolampy diloilo mandriaka ho ahy.

7 Raha nivoaka ho eo am-bavahadin'ny tanana aho, ka nianina nipetraka teo amin'ny kianja;

8 vao mahita ahy ny zatovolahy miampirimpirina, ny anti-panahy mitsangana ka maharitra mijoro.

9 Ny andriandahy nangina tsy niteny, sy nitampim-bava amin'ny tanany.

10 Ny feon'ny mpanapaka tankina teo, ny lelany tafaraikitra amin'ny lanilaniny.

11 Ny sofina nandre ahy, nanao ahy hoe: sambatra; ny maso nahita ahy, nanao filazana tsara momba ahy.

12 Fa novonjeko ny ory nangata-piantrana, mbamin'ny kamboty tsy nanan-kiankinana.

13 Ny fisaoran'ny olona am-bava loza nitororoka tamiko; ny fon'ny mananotena nofenoiko hafaliana.

14 Notafiko toy ny lamba ny fahamarinana, kapaoty amam-pehilohako ny fanaovako ny rariny.

15 Izaho no mason'ny jamba, sy tongotry ny mandringa.

16 Izaho no rain'ny kamboty; ary nandinika tamim-pitandremana ny adin'ny olon-tsy fantatra.

17 Notapahako ny valanoranon'ny nanao ny tsy marina, notsoahako ny babo efa mby am-bavany.

18 Dia hoy izaho: Eto amin'ny akaniko no hialako aina; ho maro toy ny fasika ny androko;

19 mitatra hatrany amin'ny rano ny fakako, itoeran'ny andro mandritra ny alina ny raviko.

20 Ny voninahitro hihavao mandrakariva, ary ny tsipikako hihahenjana indray eny an-tanako.

21 Ny olona nihaino ahy, dia niandry, nandray tamim-pahanginana ny torohevitro.

22 Rahefa niteny aho, dia tsy nisy nanampy intsony, fa toy ny ando no nirotsaka taminy ny teniko.

23 Niandry ahy toy ny fiandry ranonorana izy ireo, nitanatana vava, toy ny niandry tandrifin-drahona amin'ny lohataona.

24 Raha nitsiky taminy aho, tsy azony ninoana izany, fa liana loatra izy nandray izany mari-pitiavana izany.

25 Nony nankeo aminy aho, ahy ny fitoerana voalohany; dia mipetraka aminy eo aho, toy ny mpanjaka hodidinin'ny miaramilany, sy tahaka ny mpanafak'alahelo, eo afovoan'ny tra-pahoriana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2813