Bokin'i Joba

Toko faha-32

1 Dia nitsahatra tsy namaly an'i Joba intsony izy telo lahy ireo, satria nihombo tamin'ny fanaovana ny tenany ho marina izy io.

2 Fa nirehitra tamin'izay kosa ny fahatezeran'i Elio, zanak'i Barakely, Bozita, fokon'i Rama. Nirehitra tamin'i Joba ny fahatezerany, satria io nihambo ho marina noho Andriamanitra. 3 Nirehitra tamin'izy telo lahy sakaizany koa ny fahatezerany, satria tsy nahita teny tsara havaly azy izy ireo. 4 Noho ny maha-zokiny azy ireo, dia niandry Elio, vao niteny tamin'i Joba. 5 Nony hitany anefa, fa tsy misy valy intosny eo am-bavan'ieto sakaizany telo lahy, dia nirehitra ny hatezerany. 6 Tamin'izay, dia niteny Elio, zanak'i Barakely, Bozita, ka nanao hoe: Izaho vao tanora, hianareo efa anti-panahy; ka izany no natahorako, tsy nahasahiako ny hampahalala anareo izay mba hevitro.

7 Hoy aho anakampo: Hiteny ireo be andro, hanambara ny fahendrena ny hamaroan'ny taona.

8 Kanefa ny fanahy napetrka ao anatin'ny olombelona, dia ny fofon'ain'ny Tsitoha no nanome ny fahazavan-tsaina.

9 Fa tsy ny taona no mampahazo ny fahendrena, tsy ny fahanterana no hahalalana ny rariny.

10 Koa izao no lazaiko, mihainoa ahy; fa izaho koa mba hanambara ny hevitro.

11 Raha mbola niteny hianareo, dia niandry aho; nampandry sofina tamin'ny porofo nalahatrareo aho, mandra-pahatapitry ny fifandaharanareo.

12 Narahiko saina mitandrina ny anareo, ary tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba hianareo; tsy nisy nahatohitra ny teniny hianareo.

13 Aza manao hoe: Nahita ny fahendrena izahay, Andriamanitra no mamely azy, fa tsy olombelona.

14 Tsy mba hamely ahy no nanononany ny lahateniny; nefa tsy mba ny teninareo no hamaliako azy.

15 Indreo, very hevitra izy ireo, ka tsy mamaly akory; tsy mahita teny halahatra intsony.

16 Nandrasako izay hahataperan'ny teniny, izay hijanonany tsy miteny, tsy manan-kavaly.

17 Ka dia mba anjarako kosa izao no miteny, fa mba te-hilaza izay hevitro kosa aho.

18 Feno lahateny aho, ka asesiky ny fanahy ato anatiko aho.

19 Efa toy ny divay voatsentina ny foko, dia tahaka ny siny hoditra feno divay mila hipoaka.

20 Ka aoka hiteny aho, mba hisy hiainako malalaka; aoka hisokatra ny molotro mba hamaliako.

21 Tsy mba hizaha tavan'olona ho, na handoka olona na iza na iza;

22 fa tsy mba mahay mandoka; fa raha tsy izany dia halain'ny Mpahary ahy, eo no ho eo ihany aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.111