Bokin'i Joba

Toko faha-37

1 Mihorohoro loatra ny foko amin'ny fahitana izany, miantsambotra mila hiala amin'ny fitoerany izy.

2 Henoy, henoy ange ny fikotrokotroky ny feony, ny firohondrohona mivoaka avy amin'ny vavany!

3 Alefany tsy misy mpisakana izany ho ety ambany lanitra tsy hita lany, ary mamirapiratra hatrany amin'ny fara-vazan-tany ny tselany.

4 Manaraka izany, dia misy kotroka mipoaka, mampanehoeho ny feony mahery, ka raha vao re ny feony, dia tsy tanany ny tselatra.

5 Mikotrokotroka mahagaga amin'ny feony Andriamanitra; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika izy.

6 Ny oram-panala ilazany hoe: Milatsaha amin'ny tany; ny tandrifin-drahona mbamin'ny orana mivatravatra baikoiny.

7 Asiany tombo-kase ny tanan'ny olombelona rehetra, mba hahalalan'ny olona rehetra ny Mpahary azy.

8 Ny biby miditra amin'ny lavany, dia mijanona ao an-davany.

9 Ny tadio miala amin'ny fitoerany miafina, ny rivotra avy avaratra mampisy fanala.

10 Ny fofon'ain'Andriamanitra mampivongana ranomandry ka tonga voageja ny rano be.

11 Vesarany etona ny rahona; aeliny ny rahona mazava.

12 Ka indreny tazana mankatsy mankary ireny araka ny didiny, hanatanteraka izay rehetra andidiany azy, eny ambonin'ny tany misy mponina.

13 Ka mbetika ny mba hanasazy ny taniny, mbetika ho mariky ny fanambinany no anirahany azy ireny.

14 Ry Joba o, tandremo izany zavatra izany, miatoa hianao handinika ny zava-mahagaga ataon'Andriamanitra.

15 Fantatrao va ny anaovany an'izany, sy ampanjelajelarany ny tselatra eny amin'ny rahona?

16 Azonao va ny fihevahevan'ny rahona, ny zava-mahagaga ataon'ilay manam-pahalalana tanteraka,

17 hianao izay mafana ny fitafianao, raha mijanona ny tany mandritra ny fifofofofon'ny rivotra, avy any atsimo?

18 Mba mahavelatra ny rahona toa azy va hianao, ka mampitoetra mafy azy toa varahina manganohano?

19 Mba atoroy anay hoe, izay tokony holazainay aminy; fa tsy mahay miteny aminy izahay fa tsy mba mahalala!

20 Ah! tsy hotaterina eny aminy anie ny teniko! Fa oviana moa no mba nisy olombelona nilaza fa maniry ny ho levona:

21 Tsy mety hita ankehitriny ny fahazavan'ny masoandro, izay mamirapiratra ao ivohon'ny rahona; raha misy rivotra mandalo anefa, dia mampisava azy.

22 Ny volamena dia avy any avaratra no ihaviany, fa Andriamanitra kosa mba mampatahotra lahy ny fiandrianany!

23 Ny Tsitoha tsy azontsika takarina, fa lehibe amin'ny hery, amin'ny rariny, amin'ny fahamarinana; tsy mamoaka izay nataony na amin'iza na amin'iza izy.

24 Ka aoka hanaja azy ny olombelona! Fa tsy jereny akory izay manao azy ho hendry.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971