Bokin'i Joba

Toko faha-39

1 Mahalala ny fotoana fiterahan'ny osy dia va hianao? Nodinihinao va ny serfavavy raha miteraka izy?

2 Mba efa nanisa ny volana maha-bevohoka ireny va hianao, ka mahafantatra ny fotoana fiterahany?

3 Mandohalika ireny, miteraka ny zanany, dia tapitra eo no ho eo ny fanaintainany.

4 Mihamatanjaka sy mihalehibe any an'efitra ny zanany, dia lasa izy ka tsy miverina intsony.

5 Iza no nandefa ny ampondra dia hikarenjy, ary zovy no namaha fatorana ny boriky dia,

6 izay nomeko ny efitra ho tranony, sy ny tany lemaka misy sira ho fonenany?

7 Tsy ahoany akory izay fitabatan'ny any an-tanana, tsy reny akory izay hoe feon'ny tompo.

8 Mitetitety ny tendrombohitra hahitany hanina izy, izay mety hahitana volon'ahi-maitso dia alehany avokoa.

9 Mba mety manompo anao va ny ombimanga, na handry ao an-tranony amin'ny alina?

10 Hafatotrao amin'ny tady eny am-bava-asanao, na hanaraka anao hamaky bainga eny an-dohasaha?

11 Hitokianao va izy satria matanjaka tokoa, ka havelanao hanao ny asanao va?

12 Hitokianao hampiditra ny vokatrao va izy? sy hanangona ny varinao ho eo am-pamoloanao?

13 Mikopakopaka an-kafaliana ny elatry ny ostritsa, fa tsy mba manana ny elatra be antra na ny volon'ny vanobe izy.

14 Fa ilaozany eo amin'ny tany ny atodiny, dia avelany hohafanain'ny fasika.

15 Hadinony fa mety ho voashitsaky ny tongotra, na ho montsan'ny biby any an-tsaha.

16 Mafy fo ho an'ny zanany, hoatra ny tsy azy akory izy, tsy mampaninona azy na dia foana aza ny asany.

17 Fa nolavin'Andriamanitra tsy ho azy ny fahendrena, ary tsy mba nomeny azy ny fahalalana.

18 Rehefa mikopak'elatra sy miezaka kosa anefa izy, ihomehezany foana ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

19 Hianao va no manome hery ny soavaly, sy mandravaka vombo mihofahofa amin'ny vozony,

20 ary mampitsipika azy hoatra ny valala? Mamelona fampatahorana ny fanenony miandranandrana.

21 Mihehy tany amin'ny tongony izy sady miedinedina noho ny heriny, miantoraka hanetra ny ady izy.

22 Ihomehezany fotsiny ny fampitahorana, fa tsy misy mampimalo azy akory, ka tsy mianotra izy eo anoloan'ny sabatra.

23 Mifioka eny amboniny eny ny zana-tsipika, ny lefona manelatselatra sy ny longy.

24 Mihivingivina izy, mihoalahoala izy, mirimorimo mafy ery izy, tsy mahajanona intsony nony vao velona ny bingona.

25 Vao mandre ny feon'ny bingona izy dia milaza hoe: ndao! mbola lavitra izy, dia efa manimbolo ny ady, ny feo mikotrokotroky ny lehibe, ny akoralavan'ny mpiady.

26 Fahendrenao va no iezahan'ny voromahery hanidina, sy hamelarany ny elany hianatsimo?

27 Baikonao va no isondrotan'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?

28 Monina eny amin'ny haram-bato izy, miorim-ponenana eny an-tsefatsefa-bato, an-tampon'ny havoana.

29 Avy eny izy, no mitsikilo ny rembiny, ka mahiratra mahatazana lavitra ny masony.

30 Ra no fisotron'ny zanany; ary izay misy faty, dia ahitana azy avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1247