Bokin'i Joba

Toko faha-4

1 Dia niteny Elifaza avy any Temana ka nanao hoe:

2 Raha manandrana hiteny indraim-bava izahay, dia sao ho sosotra hianao amin'izany. Nefa zovy moa ho hahatana ny teniny?

3 Indro fa nampianatra olona maro hianao; nankahery izay niraviravy tanana hianao;

4 nampijoro izay nivembena ny teninao, sy nanampy ny lohalika malemy hianao.

5 Kanjo ankehitriny, nony mankaminao ny loza, dia kivy hianao, nony mba trany hianao izao, dia manary toky kosa!

6 Tsy ny fahatahoranao an'Andriamanitra va no fanantenanao? Tsy ny hadiovan'ny toetranao va no mba tokinao?

7 Mba tadidio ange: zovy moa no tsy manan-tsiny mba very? Taiza ho aizan'izao tontolo izao, no mba naringana ny olo-marina?

8 Raha izaho, ny hitako, dia izay miasa heloka, sy ireo mamafy tsy fahamarinana, no mijinja ny vokatr'izany.

9 Fa ny fofon'ain'Andriamanitra no aharinganan'ireny, ny fifofofofon'ny hatezerany no mahalevona ireny.

10 Ny fieron'ny liona mbamin'ny feony mikotrokotroka, dia tankina, ary ny nifin'ny liona tanora dia voatorotoro.

11 Noho ny tsy fisian-dremby dia maty ny lion-dahy, ary ny zanaky ny liom-bavy miely patrana.

12 Nisy teny nisokosoko tonga tamiko ary ngoningonina malemy no hany ren'ny sofiko tamin'izany.

13 Tao amin'ny fahitana manjavozavo alina, tao anatin'ny fotoana mahasondrian-tory mafy ny olombelona,

14 nisy tahotra aman-kovitra nahazo ahy, ary nanozongozona ny taolako rehetra izany,

15 Dia indro nisy fanahy nandalo teo anatrehako, ka nampitsangam-bolo ny tenako rehetra.

16 Nitraka izy, tsy fantatro endrika velively dia toa matoatoa teo imasoko. Dia nisy fahanginana aloha, vao nandre feo aho:

17 Ho marina va ny olombelona eo antrehan'Andriamanitra? Ho madio va ny olona, eo anoloan'ny Mpahary azy?

18 Indro fa ny mpanompony aza, tsy itokiany, ary ny anjeliny aza, ahitany tsiny:

19 ka mainka izay olona monina an-trano fotaka ary vovoka ny fototra iorenany, ka hatao manjary vovoka toy ny voan'ny kalalao!

20 Hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, dia voaringana izy; ary levona mandrakizay izy, nefa tsy ahoan'ny olona akory.

21 Tapaka ny kofehy amin'ny lain'izy ireo; Maty alohan'ny fahazoana ny fahendrena izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864