Bokin'i Joba

Toko faha-40

1 Dia niteny tamin'i Joba Iaveh ka nanao hoe:

2 Te-hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy azy io? mahavaly va izay mifandahatra amin'Andriamanitra?

3 Fa namaly an'ny Tompo Joba, ka nanao hoe:

4 Inona moa no havaliko anao izay izaho tsinontsinona ity? fa dia mitampim-bava aho.

5 Efa niteny indray mandeha, ka tsy hamaly intsony, efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza.

6 Mbola niteny tamin'i Joba Iaveh, tao amin'ny tafio-drivotra ka nanao hoe:

7 Misikina ary toy ny lehilahy, fa hanadina anao aho, ka hampianatra ahy hianao.

8 Tianao va ny hanafoana ny fananako ny rariny, dia hanameloka ahy mba hanamarina ny anao?

9 Manan-tsandry toy ny an'Andriamanitra va hianao, ary mikotrokotroka tahaka ny azy va ny feonao?

10 Miravaha fahalehibeazana amam-piamboniana hianao; ary mitafia voninahitra amam-piandrianana;

11 Amparo ny fisafoaky ny hatezeranao, na iza na iza mpiavona dia aetreo amin'ny indray mijery!

12 Aforeto amin'ny fijerinao fotsiny ny mpiavonavona; montsany eo am-pitoerany ny ratsy fanahy.

13 Ataovy indray manitrika ao amin'ny vovoka izy rehetra; hidio ao amin'ny maizina izy rehetra.

14 Amin'izay dia izaho koa no hanaiky fa ny tananao ankavanana mahavonjy anao.

15 Jereo ange Behemota izay nohariko toa anao koa: mihinan'ahitra tahaka ny omby izy.

16 Jereo ange fa ao amin'ny valahany ny tanjany, ary ny heriny dia ao amin'ny hozatry ny lanivoany!

17 Ajorony hoatra ny sedra ny rambony, miray ho fehezana mafy ny hoza-peny.

18 Fantsona varahina ny taolany; bara vy ny taolan-tehezany.

19 Loha laharana izy amin'ny asan'Andriamanitra; nomen'ny Nahary sabatra izy.

20 Mahavokatra vilona ho azy ny tendrombohitra; milalao manodidina azy ny biby an-tsaha rehetra.

21 Mandry eo ambanin'ny tamotamo izy, any am-pierena anaty volotara amin'ny heniheny.

22 Manalokaloka azy ny tamotamo, manodidina azy ny hazomalahelo eny amorona.

23 Na tondraka aza ny ony, tsy matahotra izy; na hisondrotra havavany aza Jordany, dia tsy miraika izy.

24 Moa ho azo atao va ny misambotra azy manatrika, ao amin'ny harato, ary ny managorobaka ny orony?

25 Mahasarika an'i Leviatana amin'ny farango va hianao, sy mahageja ny lelany amin'ny mahazaka?

26 Sa mahatsofoka zozoro amin'ny vavorony, sy mahaboroaka ny valanoranony amin'ny masom-by?

27 Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, hanao teny malefaka aminao?

28 Hanao fanekena aminao va izy; ka halainao ho mpanompo mandrakizay?

29 Hilalao azy toy ny filalao fody va hianao, sy hamatotra azy holalaovin'ny zanakao vavy?

30 Ataon'ny mpiara-manjono varotra va izy, ka tsinjaranjarainy amin'ny mpandranto?

31 Mahaloadoaka ny hodiny amin'ny zana-tsipika va hianao, na mahatrobaka ny lohany amin'ny firombaka?

32 Andramo ny hisambotra azy, ka tsarovy ny ady, fa tsy hanindroa intsony hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037