Bokin'i Joba

Toko faha-42

1 Dia namaly an'ny Tompo Joba ka nanao hoe:

2 Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra hianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho anao.

3 Iza moa izato manamaizina ny fandaharan'Andriamanitra tsy amim-pahalalana? Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho, ny amin'ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro!

4 Mihainoa fa hiteny aho, hanadina anao aho, ka valio.

5 Ny sofiko taloha efa nandre filazana anao, fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita anao.

6 Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin'ny vovoka sy ny lavenona.

7 Nony avy nilaza izany teny izany tamin' i Joba Iaveh, dia hoy izy tamin'i Elifaza avy any Temana: Mirehitra aminao sy amin'ireo sakaizanao roa lahy ny fahatezerako; satria tsy mba mifanaraka amin'ny marina tahaka ny nataon'i Joba, ny filazanareo ahy.

8 Koa ankehitriny mandehana maka vantotr'ombalahy fito sy ondralahy fito, dia mankanesa eo amin'i Joba mpanompoko ka manatera sorona dorana ho anareo. Ary Joba mpanompoko hivavaka ho anareo, fa izy ihany nohany tsy hamaliako anareo araka ny hadalanareo, satria tsy mba mifanaraka amin'ny marina tahaka ny nataon'i Joba ny filazanareo ahy. 9 Dia nandeha Elifaza avy any Temana sy Baldada avy any Sohe ary Sofara avy any Naamana, nanao araka izay voalazan'ny Tompo taminy, ka nankasitrahan'ny Tompo ny fivavahan'i Joba.

10 Raha mbola nivavaka ho an'ireo sakaizany Joba, Iaveh kosa namerina an'i Joba amin'ny toetrany voalohany, ary naveriny indroa heny tamin'i Joba ny fananay rehetra.

11 Dia tonga avokoa ireo rahalahiny sy anabaviny mbamin'ny sakaizany taloha namangy azy sy niara-nihinana taminy tao am-tranony. Nangoraka azy sy nampionona azy izy ireo, noho ny fahoriana nahatran'ny Tompo taminy teo; ary samy nanome azy kesita iray sy masom-bolamena iray avy izy rehetra. 12 Nambinin'ny Tompo mihoatra noho ny tamin'ny taloha ny andro niainan'i Joba taty aoriana, ka nanana ondry efatra arivo amby iray alina, rameva enina arivo, omby arivo tsiroaroa, ary ampondravavy arivo.

13 Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy: 14 ny voalohany nataony hoe Jemima, ny faharoa Ketsia, ary fahatelo Keren-Happoka. 15 Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin'i Joba ireo tamin'ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin'ireo anadahiny izy.

16 Velona efapolo amby zato taona Joba taorian'izany; ka nahita ny zanany lahy sy ny zanakalahin'ny zanany lahy hatramin'ny taranaka fahefatra.

17 Dia maty Joba, efa antitra sy voky andro niainany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0517