Bokin'i Joba

Toko faha-5

1 Miantsoa hoe, raha misy olona hamaly anao! Iza amin'ireo masina no hitodihanao?

2 Ny adala levona amin'ny hatezerany ary ny foka maty amin'ny fisafoahany.

3 Efa nahita ny adala namaka nisandrahaka aho, kanjo vetivety foana dia nanozona ny fonenany.

4 Tsy misy famonjena ho an'ny zanany; montsanina eo am-bavahady ireny, nefa tsy manan-kamonjy;

5 Ny variny vokatra, dia lanin'ny lehilahy noana, mihoatra ny fefy tsilohery izy, dia mandroba azy; ny hareny koa, areboky ny lehilahy mangetaheta.

6 Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny fahoriana, ary tsy mitsimoka avy amin'ny tany ny fijaliana,

7 no ho teraka mba hozoim-pahoriana ny olona, toy ny zanaky ny varatra mba hiakatra fanidina.

8 Raha izaho hianao, Andriamanitra no hotodihiko, any aminy no handefasako ny fivavahako.

9 Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina izy, zava-mahagaga tsy tambo isaina.

10 Izy no mandatsaka ranonorana amin'ny tany, mandefa ny rano ho eny amin'ny saha,

11 manandratra izay voaetry, ary ny tra-pahoriana mahita hasambarana indray.

12 Manafoana ny tetik'adin'ny mpamadika izy, ka tsy mahatanteraka ny teti-dratsiny ny tànan'ireny.

13 Maningotra ny fetsy amin'ny hafetseny izy, ary mandrava ny tetik'adin'ny fetsy ratsy,

14 ka tojo ny aizina amin'ny antoandro izy ireny ary miraparapa toy ny amin'ny alina, amin'ny mitatao vovonana indrindra.

15 Hataon'Andriamanitra afaka amin'ny sabatry ny lelan'ireny ny malahelo, sy amin'ny tanan'ny mahery.

16 Ka mody amin'ny mahantra ny fanantenana, ary ny faharatsiana kosa mikombom-bava.

17 Sambatra ny olona faizin'Andriamanitra! ka aza atao tsy ho zavatra ny fanitsian'ny Tsitoha.

18 Fa mandratra izy, ary mamehy ny ratra; mikapoka izy, ary manasitrana amin'ny tànany.

19 Inenina izy hanafaka anao amin'ny fahoriana; ary amin'ny fanimpitony, dia tsy hahazo anao ny loza.

20 Amin'ny mosary, harovany amin'ny fahafatesana hianao; amin'ny ady, harovany tsy ho voan'ny sabatra hianao.

21 Ho voaaro amin'ny kotopian'ny lela hianao, ary tsy hatahotra rahefa avy ny fandringanana.

22 Hihomehezanao ny mosary amam-pandringanana; tsy hatahotra ny biby dia amin'ny tany.

23 Fa ho vita fanekena aminao ny vato eny an-tsaha; ary hihavana aminao ny biby dia amin'ny tany.

24 Fa hahita ny fiadanana manjaka eo an-dainao hianao; ary hitsidika ny tanim-bilonao hianao, ka tsy hisy diso tsy ao.

25 Ho hitanao ny taranakao mitombo, ary ny solofonao mihamaro, hoatra ny ahitra any an-tsaha.

26 Efa tratra antitra tsara hianao vao hiditra any am-pasana, toy ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoany.

27 Izany no voadinikay, izany no marina. Henoy izy, ary ataovy soa ho anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1483