Bokin'i Joba

Toko faha-6

1 Tamin'izay, dia niteny Joba ka nanao hoe:

2 Eh, raha mba azo lanjaina mantsy ny fahoriako, ka azo atambatra atao eo ambony mizana avokoa ny loza manjo ahy,

3 dia havesatra noho ny fasiky ny ranomasina izy: ka noho izany, dia tafahoatra ho rediredy ny teniko.

4 Fa ny zana-tsipìkan'ny Tsitoha no manindrona ahy, ary ny poizina amin'ireo, fohin'ny fanahiko; ny fampitahoran'Andriamanitra tafalahatra hiady amiko.

5 Minananana eo akaikin'ny vilo-maitso va ny ampondra dia? Mimama eo anoloan'ny haniny va ny ombalahy?

6 Atao ahoana no fihinan-kanina matsatso sy tsy misy sira? Atao ahoana no fakafy ron'anana tsy misy tsirony?

7 Izay lavin'ny foko tsy hokasihina akory, no indro tonga haniko, sady feno loto maharikoriko.

8 Aiza no hahitako izay hahato ny faniriako, sy izay hahatanterahan'Andriamanitra ny antenaiko!

9 Ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy, handefa ny tanany sy hanapitra ny androko!

10 Aoka tsy ho afaka amiko izao fiononam-po izao, ka iravoravoako ao anatin'ny loza anindriany ahy: dia ny tsy nandikako na oviana na oviana ny didin'ny Masina.

11 Inona moa ny heriko, mba hanantenako? Ohatrinona no halavan'ny androko, mba haharetako?

12 Herim-bato va ny heriko? Ary varahina va ny nofoko?

13 Tsy efa foana amiko va ny vonjy rehetra? Tsy efa alana amiko va ny toky rehetra hahitana famonjena?

14 Mendrika hiantran'ny sakaizany izay tra-pahoriana, na dia nandao ny fahatahorana ny Tsitoha aza izy.

15 Ireo rahalahiko kosa, namadika toy ny ranotrambo, toy ny rano an-dahasahan-driaka, izay mikoriana;

16 Sakantsakanan'ny vongan-dranomandry ny fandehany, levona anatin'ny onjany, ny oram-panala.

17 Rahefa maina ny andro dia levona izy; raha vao mafana ny andro, ritra an-toerana izy.

18 Eny amin'izao sakeli-dalana rehetra izao ny ranony dia lany; eny amin'ny habakabaka izy, manjary etona, dia tankina.

19 Nanandrandra azy ny andiam-pivahiny avy any Tema; nanantena azy ny mpandeha avy any Saba.

20 Kanjo foana ny fanantenan'ireny, fa nony tonga teo amorony indreo nangaihay.

21 Toy izany koa hianareo manary ahy amin'izao; fa vao nahita ny fahoriana hianareo, dia nihodina raiki-tahotra.

22 Kanefa moa ve aho nanao hoe: Mba omeo zavatra kely aho? mba omeo anjara amin'izay anananareo aho?

23 Vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, afaho amin'ny tanan'ny mpitoha aho?

24 Ampianaro aho, fa hangina hihaino anareo, ampahafantaro ahy izay nahadiso ahy.

25 Endrey izany herin'ny teny marina! Fa mba inona kosa no iharan'ny faninianareo?

26 Sao dia ny hisambo-teny fotsiny no tadiavinareo? Raha izay tenin'ny mamoy fo anefa, dia entin-drivotra foana.

27 Indrisy, latsahanareo harato ity kamboty, ary ihadianareo lavaka ny sakaizanareo hamandrihana azy!

28 Fa ankehitriny mba mitodiha kely aty amiko, dia ho hitanareo, raha hilazako lainga manatrika hianareo.

29 Miverena, ka aza mety ho tsy marina, miverena, dia hiharihary ny tsy fananako tsiny.

30 Nisy faharatsiana va eo am-bavako? Sa tsy mahay manavaka ny ratsy va ny vavako?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1322