Bokin'i Joba

Toko faha-7

1 Andro fanompoana, ny fiainan'ny olombelona eto an-tany, ary toy ny an'ny mpikarama ny androny.

2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, toy ny mpikarama miandry ny karamany,

3 mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory, sy nanana izay anjara alina mampijaly.

4 Fa nony handry aho manao hoe: Rahoviana aho no hifoha? Rahoviana ny alina no ho tapitra? dia mandry an-driran'antsy foana eo aho, mandra-pahazavan'ny andro.

5 Ny nofoko rakotra olitra aman-takopery vasoka, ny hoditro mitsefatsefaka, sady ivoahanana.

6 Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko, dia lany: tsy misy fanantenana intsony!

7 Andriamanitra o, tsarovy fa fofona kely foana ny aiko? ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko.

8 Ny maso mijery ahy, tsy hahita ahy intsony; ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho eo intsony aho.

9 Mihahaka dia levona ny rahona: toy izany koa izay midina ho any amin'ny seoly dia tsy hiakatra intsony;

10 tsy hody ao an-tranony intsony izy, ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany teo aloha.

11 Noho izany dia tsy hamehy ny vavako aho; fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko, handefa ny fitarainako noho ny ngidiny ato am-poko.

12 Ranomasina va aho, sa biby dia an-dranomasina, no dia asianao fefy avokoa ny manodidina ahy?

13 Nony injay aho mba milaza hoe: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako,

14 injay kosa hianao mampitahotra ahy amin'ny nofy; mampivadi-po ahy amin'ny tsindrimandry.

15 Endrey! Aleon'ny fanahiko alana aina an-keriny; ny taolako miantso ny fahafatesana!

16 Ny tenako voan'ny fahalevonana; ny aiko mitsoaka amiko ho amin'ny mandrakizay: avelao re aho; fa fofona foana ny androko.

17 Inona moa ny olombelona, no dia tombananao fatratra ery, fa mba mety hikarakara azy hianao,

18 mamangy azy isa-maraina ary zahanao toetra isan-tapak'andro?

19 Rahoviana re no hitsahatra ny fijerinao ahy? Rahoviana re no havelanao aho, mba hisy hitelemako ivy?

20 Raha nanota aho, inona no azoko atao aminao, ry Mpiandry ny olombelona o! Nahoana no dia apetrakao hiantefan'ny zana-tsipikanao aho, ka hampanjarianao enta-mavesatra ho ahy ny tenako?

21 Nahoana no dia tsy avelanao ny heloko? Nahoana no dia tsy hadinoinao ny hadisoako? Fa vetivety foana dia handry any amin'ny vovoka aho, ary hitady ahy hianao; fa tsy hisy intsony aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1579