Bokin'i Jodita

Toko voalohany

1 Nony efa nampanaiky ny firenena maro ho ambanin'ny fahefany Afraksada, mpanjakan'ny Meda, dia nanorina tanàna fiarovana mafy anankiray, nataony hoe Ekbatana, tamin'ny vato voapaika vita efa-joro.

2 Manda, fitopolo hakiho no hahavony, telo hakiho no sakany, no nataony manodidina azy, ary nananganany tilikambo maromaro koa, ka zato hakiho ny hahavony, 3 efa-joro mitovy efatra ny endriny, roapolo dia avy no haben'ny lafiny iray, ary nampifanarahiny amin'ny hahavon'ny tilikambo ny varavarana nataony taminy. 4 Nirehareha ho tsy azo resena izy, noho ny herin'ny foloalindahiny sy ny hamaroan'ny kalesiny. 5 Kanjo, tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Nabokodonosora mpanjakan'ny Asiriana, izay nanjaka tao Niniva, ilay tanàna lehibe, dia nanafika an'i Arfaksada izy,

6 ka naharesy azy tao amin'ilay tany lemaka lehibe atao hoe Ragao, fa nampian'ireo mponina amin'ny moron'i Eofrata sy Tigra, ary Jadasona amin'ny tany lemak'i Eriaoka, mpanjakan'ny Elisiana. 7 Tamin'izay, nihalehibe ny fanjakan'i Nabokodonosora ka nentanin'ny ebo ny fony dia nandefasany iraka avokoa ry zareo rehetra nonina any Silisia, any Damasa, ny any an-tendrombohitra Libàna,

8 ny vahoaka any Karmela sy Sedara, ny monina any Galilea, amin'ny tany lemaka lehibe Esdrelona, 9 ry zareo rehetra any Samaria an-dafin'ny ony Jordany, hatrany Jerosalema, ary amin'ny tany Gesena rehetra, hatrany amin'ny sisin-tanin'i Etiopia. 10 Ireo vahoaka rehetra ireo, dia nandefasan'i Nabokodonosora mpanjakan'i Asiria, iraka, avokoa. 11 Nefa niray hevitra samy nandà avokoa izy rehetra. Nalefany hody maina izy ireo, ary fanesoana foana no nafitsony azy. 12 Ka nisafoaky ny hatezerana tamin'izany vahoaka rehetra izany Nabokodonosora mpanjaka ary nianiana tamin'ny seza fiandrianany sy tamin'ny fanjakany, fa hamaly ratsy izany nataon'ireo tany rehetra ireo izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1025