Bokin'i Jodita

Toko faha-12

1 Dia ao amin'ilay nisy ny rakiny no nasain'i Holoferina nampandrosoina Jodita, hipetraka ao ary tenany no nandahatra izay homena azy avy amin'ny sakafony.

2 Fa hoy Jodita: Tsy azoko atao izao ny mihinana ny zavatra nasainao omena ahy, fandrao ho traty ny ota aho, fa ny zavatra efa nentiko ho ahy ihany no hohaniko 3 Ka inona no hataonay ho anao, hoy Holoferina taminy, raha lany ny hanina nentinao? 4 Tompokolahy, hoy Jodita, mianiana amin'ny ainao aho, fa tsy hahalany ireto vatsy rehetra ireto ny ankizivavinao, alohan'ny hanatanterahan'Andriamanitra amin'ny tànako, ny hevitra voakasako. Dia nampidirin'ireo mpanompony tao amin'ny lay voalazany, ravehivavy. 5 Nony niditra tao izy, dia nangata-dàlana mba hahazo mivoaka amin'ny alina alohan'ny vaky masoandro, hivavaka sy hiantso ny Tompo. 6 Ka nandidy ireo mpanompony Holoferina hamela azy hivoaka sy hiditra araka izay tiany, mandritra ny hateloana, mba hivavaka amin'ny Andriamaniny. 7 Koa nivoaka isan'alina izy, nankao amin'ny lohasahan'i Betolia sy nandro teo amin'ny loharano anankiray. 8 Nony niakatra avy any izy, dia nivavaka tamin'ny Tompo, Andriamanitr'Israely mba hitarika ny diany ho amin'ny famonjena ny vahoakany. 9 Rahefa izay dia niditra ao an-dainy izy, dia nitoetra ho madio ao, mandra-pisakafony amin'ny hariva. 10 Tamin'ny andro fahefatra, nanao fanasana ho an'ireo mpanompony Holoferina, ka nilaza tamin'i Vagao eonokany hoe: Mandehana taomy io Jody vavy io hanaiky an-tsitra-po ny hiara-mipetraka amiko,

11 fa fahafaham-baraka ho an'ny lehilahy amin'ny Asiriana raha vehivavy no hamazivavy azy sy handao azy tsy naneky ny faniriany. 12 Dia niditra tao amin'i Jodita Vagao, ka nilaza taminy hoe: Aoka ny zazavavy soa, tsy hatahotra ny hankany anilan'ny tompoko, homem-boninahitra eo anatrehany, ary hiara-mihinana aminy ary hisotro divay amin-kafaliana. 13 Z'inona moa aho, hoy ny navalin'i Jodita, no handà ny tompoko? 14 Izay soa sy lavorary eo imasony dia hataoko avokoa, ary izay rehetra tiany indrindra no tsara indrindra ho ahy koa, amin'ny andro rehetra iainako. 15 Dia nitsangana izy, ary rahefa niravahany avokoa ny fihaingoany rehetra, dia niditra sy nankeo anatrehan'i Holoferina izy. 16 Niontana ny fon'i Holoferina, fa main'ny fitsiriritana azy. 17 Hoy Holoferina taminy: Misotora ary mihinàna an-kafaliana, fa nahita fitia eo imasoko hianao. 18 Ary hoy Jodita: Hisotro aho, tompoko, fa ity no andro nahazoan'ny fanahiko voninahitra indrindra, mihoatra noho ny tamin'ny andro rehetra niainako. 19 Ny efa nomanin'ny ankizivaviny no noraisiny dia nihinana sy nisotro teo anatrehany izy. 20 Nentanin-kafaliana noho ny aminy loatra Holoferina ka nisotro divay tsy anerany; tsy mbola nisy andro nisotroany be toy izany hatrizay niainany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0468