Bokin'i Jodita

Toko faha-16

1 Tamin'izay Jodita dia nihira izao hira izao tamin'ny Tompo: Mankalazà ny Tompo, amin'ny fidoboky ny amponga, Mihirà ny Tompo amin'ny kipantsona; Miraisa feo hanaovana hira vaovao ho voninahiny, ankalazao sy hobio ny anarany.

2 Ny Tompo manapitra ny ady; Tompo no anarany! Niorin-toby eo afovoan'ny vahoakany izy, mba hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika rehetra.

3 Tonga Asora avy amin'ireo tendrombohitra, avy any amin'ny lafin-tany Avaratra nomban'ny miaramilany alinalina: nahatohana ny riana ny hamaroany, ary naharakotra ny lohasaha ny soavaliny.

4 Nanampo handevona ny faritaniko tamin'ny afo izy, sy hamono ireo zatovolahiko amin'ny sabatra, hifaoka ny zanako ho babo, ary ny virjiny zanako ho sambo-belona.

5 Kanjo ny fahafaham-baraka no natolotry ny Tompo tsy toha azy, natolony ho eo an-tanam-behivavy izy, ka resiny.

6 Tsy mba tovolahy mamely no nandavo ny maheriny, tsy mba ny zanaky ny mahery no namely azy, tsy ny lehilahy rangavina no niady taminy, fa Jodita ihany, zanakavavin'i Merari, no nampitsingidina azy, tamin'ny hatsaran-tarehiny.

7 Napetrany ny akanjom-pitondran-tena aminy, niramatra ny fitafiany fanao amin'ny fety izy, mba ho fandresan'ny zanak'Israely.

8 Notsotsorihany diloilo manitra ny tavany, naolanolany tsara teo ambany lamba fehiloha ny volon-dohany. Akanjo vaovao no nentiny hamandrihany azy.

9 Ny famirapiratry ny kapany nahajamba ny mason'itsy, ny hatsaran-tarehiny nahababo ny fony, notapahiny tamin'ny sabatra ny lohany.

10 Ny Persa nangovitra tamin'ny faheream-panahiny; ary ny Meda, tamin'izato hasahiany.

11 Finaonaonana indray no nanakoako tao an-tobin'ny Asiriana; nony nitranga ny nomba ahy, efa trotraka sy main'ny hetaheta.

12 Zanakalahin'ny vantotr'olona no nitomboka azy sy namono azy efa toy ny ankizy mandositra; ka maty an'ady teo anatrehan'ny tavan'ny Tompo Andriamanitro izy ireo.

13 Miventesa hira ho an'ny Tompo. Ry Tompo ambony indrindra, lehibe hianao, ry Tompo, ary fatratra amin'ny fahefanao hianao, ary tsy misy mahahoatra anao!

14 Aoka anie hanompo anao avokoa ny harin-tananao, fa niteny hianao, dia vita ny zavatra rehetra, naniraka ny fanahinao hianao, dia hary ny zavatra rehetra ary tsy misy mahatohitra ny feonao.

15 Ny tendrombohitra mbamin'ny rano mihovitrovitra hatrany am-potony, ny vato miempo toy ny savoka eo anoloan'ny tavanao;

16 fa izay matahotra anao kosa anefa, dia lehibe eo anatrehanao, amin'ny zavatra rehetra.

17 Loza ho an'ny firenena mitsangan-kamely ny vahoakako! Fa ny Tompo, ny tsy toha no hamaly izay ataony, hanadina azy izy amin'ny andro fitsarana. Hatolony amin'ny afo aman-kankana ny nofon'ireny, mba ho may sy hahatsiaro mangirifiry mandrakizay.

18 Taorian'izany fandresena izany, nankany Jerosalema avokoa ny vahoaka, mba hitsaoka ny Tompo, ka vantany vao nidio izy ireo, dia nanatitra ny sorona dorana rehetra sy nanefa ny voadiny amam-bava nataony avy.

19 Jodita kosa nanatitra ny fiadian'i Holoferina rehetra, nomen'ny vahoaka azy, mbamin'ny elom-pandriana nalainy teo amin'ny farafara, ho anatema fanadinoana. 20 Nanao fifalian-dehibe teo anoloan'ny fitoerana masina ny vahoaka rehetra, ary naharitra telo volana no nifaliana tamin'izany fandresena izany, niaraka tamin'i Jodita. 21 Nony tapitra izany andro fety izany, samy nody ho any an-tranony avy ny olona; nomem-boninahitra tao Betolia, Jodita, ary nahazo laza lehibe eran'ny tanin'Israely izy. Ny herim-po nampombainy fahadiovana, ka tsy nahalala lahy intsony izy, tamin'ny andro sisa niainany, taorian'ny nahafatesan'i Manasesa vadiny.

22 Ny herim-po nampombainy fahadiovana, ka tsy nahalala lahy intsony izy, tamin'ny andro sisa niainany, taorian'ny nahafatesan'i Manasesa vadiny.

23 Nony efa dimy amby zato taona no andro nitoerany tao an-tranon'ny vadiny, ary efa novotsorany ilay ankizivaviny, dia maty izy, ka nalevina tao Betolia, tao amin'ny vadiny, 24 ary nitomany azy hafitoana ny vahoaka rehetra. 25 Tsy nisy olona nanabataba an'Israely, tamin'ny andro rehetra niainany, sy taona maro taorian'ny nahafatesany. Nataon'ny Hebrio ho anisan'ny andro masina, ny andro fety naorina ho fahatsiarovana io fandresena io, ka ankalazain'ny Jody hatramin'izany andro izany, ka mandrak'androany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0911