Bokin'i Jodita

Toko faha-8

1 Nampandrenesina ireo teny ireo Jodita vehivavy mpitondra tena, zanakavavin'i Merarì, zanak'i Josefa, zanak'i Oziasa, zanak'i Elaì, zanak'i Jamnora, zanak'i Jedeona, zanak'i Rafaima, zanak'i Akitoba, zanak'i Melkiasa, zanak'i Enàna, zanak'i Nataniasa, zanak'i Salatiela, zanak'i Simeona, zanak'Israely.

2 Maty tamin'ny fotoana fijinjana orja ny vadiny, atao hoe Manasesa. 3 Ilay nijery ny mpijinja nifehy amboara teny an-tsaha iny io, no voan'ny hainandro mahery ny lohany, ka maty tao Betolia tanànany izy, dia nalevina tao, teo amin'ny razany. 4 Efa telo taona sy enim-bolana no nitoetra ho mpitondra tena Jodita. 5 Nanao efitrano nitokana, teo ambony tafon-tranony izy, dia nitoetra nikatona tao niaraka tamin'ireo ankizivaviny. 6 Nohodidininy lamba malailay ny valahany, ary nifady hanina isan'andro nandritra ny andro niainany izy, afa-tsy tamin'ny andro sabata sy ny tsinam-bolana ary ny fetin'ny firenen'Israely. 7 Tsara tarehy indrindra izy, ary namelan'ny lahy harem-be, mpanompo maro, tany feno andian'omby aman'ondry. 8 Nohajain'ny olona rehetra fatratra izy, fa lalina ny fahatahorany an'Andriamanitra, ka tsy nisy olona niteny ratsy azy, na dia indraim-bava aza. 9 Nony reny fa hoe nanome teny hanolotra ny tanàna Oziasa, raha afaka hadimiana, naniraka tany amin'i Kabrì sy Karmì lohan'ny vahoaka izy.

10 Dia nankany aminy ireo, ka nilazany hoe: Ahoana ange no nahasahian'i Oziasa nilaza fa hatolony amin'ny Asiriana ny tanàna, raha tsy mahazo vonjy ao anatin'ny hadimiana hianareo? 11 Fa zovy moa hianareo no hizaha toetra ny Tompo toy izany? 12 Tsy mba teny mitarika ny famindram-pony izany, fa vao mainka koa manesika azy hitezitra sy mandrehitra ny fony hisafoaka. 13 Nametra fotoana tsy maintsy hanehoan'ny Tompo ny famindram-pony hianareo, ary nanondro andro taminy araka ny sitraky ny fonareo! 14 Mahari-po anefa ny Tompo, ka mivaloza isika amin'izany hadisoana izany; ary mangataha famelana amin-dranomaso. 15 Fa tsy mba mandrahona toy ny fanaon'olombelona, Andriamanitra, na mba mirehi-pahatezerana toy ny zanak'olombelona. 16 Ka aoka hanetry ny fanahintsika eo anatrehany isika; ary fo mietry no aoka hataontsika ao anatintsika fa izany no antonina ny mpanompony. 17 Manaova an-dranomaso amin'ny Tompo mba hampahitany antsika ny asan'ny famindram-pony araka izay fomba tiany, mba hanjary fototry ny voninahitra ho antsika ny fietren-tenantsika toraka ny nampidiran'ny fiavonavonan'ny fahavalontsika tebiteby tao am-pontsika. 18 Fa isika tsy mba nanaraka ny fahotan'ny razantsika, izay nahafoy ny Andriamaniny, sy nanompo andriamani-kafa, 19 ka noho izany heloka izany dia natolotra ho amin'ny sabatra amam-pandrobana sy ho fandatsan'ny fahavalony, fa isika kosa tsy mba mahalala andriamanitra hafa, afa-tsy izy ihany. 20 Andraso amim-panetren-tena ny fampiononany, fa hamaly ny rantsika, amin'ny fahavalontsika izay mampahory antsika, izy; haetriny ny firenena mitsangan-kamely antsika; ary hanafotra henatra an'ireny izy Tompo Andriamanitsika. 21 Ary ankehitriny, ry ranadahy, noho hianareo loholon'ny vahoakan'Andriamanitra sy iankinan'ny ain'izy ireo, velomy indray amin'ny teninareo ny herim-pon'izy ireo, mba hahatsiarovany fa nozahan-toetra ny razantsika, hahitana raha tena manompo ny Andriamaniny tokoa izy ireo.

22 Tsy maintsy tsarovany ny nizahan-toetra an'i Abrahama razantsika, sy ny niaretany fahoriana be, hahatongavany ho sakaizan'Andriamanitra. 23 Toy izany koa Isaaka, toy izany Jakoba, toy izany Moizy mbamin'izay rehetra nankasitrahan'Andriamanitra, dia niharam-pahoriana be izy ireo, nefa naharitra tsy nivadika. 24 Fa ireo izay tsy mba nandray izany fizahan-toetra izany tamim-pahatahorana ny Tompo, fa nanarana ny tsy fandeferany ka nimonomonona nanome tsiny ny Tompo,

25 ireo dia naripaky ny mpandringana sy nolevonin'ny bibilava. 26 Koa aza mba mety mivarina amin'ny tsy fandeferana isika, noho izao fahoriana manjo antsika izao. 27 Fa aoka izao fijaliana, izay kely noho ny fahotantsika izao dia hoheverintsika ho toy ny tsora-kazo hamaizan'ny Tompo antsika, toy ny famaizana ny mpanompony hanatsarana antsika, aoka hinoantsika fa tsy ny hamerezana antsika no nanirahana azy amintsika. 28 Dia hoy Oziasa sy ireo loholona, namaly azy: Marina avokoa izany voalazanao izany, ka tsy misy azo kianina na dia iray aza.

29 Koa ankehitriny mivavaha ho anay amin'Andriamanitra fa vehivavy masina sy matahotra an'Andriamanitra hianao. 30 Ary hoy Jodita taminy: Ekenareo fa avy amin'Andriamanitra izay mba voalazako; 31 ka mba zahao koa raha avy aminy ihany izao kasaiko hatao izao, dia mivavaha amin'Andriamanitra mba homeny hery hanatanterahako izay hevitra kasaiko aho. 32 Hianareo hijanona ao am-bavahady anio alina, izaho sy ny namako kosa hivoaka; dia mivavaha hianareo mba hitsinjo an'Israely vahoakany ny Tompo ao anatin'ny hadimiana, araka ny voalazanareo. 33 Tsy tiako anefa ny hanadihadianareo ny zavatra kasaiko hatao, fa mandra-piveriko hilaza aminareo ny amin'izany, dia aza manao na inona na inona, afa-tsy ny mivavaka ho ahy, amin'ny Tompo Andriamanitsika, hianareo. 34 Dia hoy Oziasa, lehiben'i Jodà, taminy: Mandehana soa aman-tsara ka homba anao anie ny Tompo hamaliana ny fahavalontsika. Dia niala teo aminy izy ireo ka lasa nandeha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0909