Bokin'i Jodita

Toko faha-9

1 Nony lasa izy ireo dia niditra tao an'efitrano fivavahany Jodita, niakanjo malailay, nanisy lavenona ny lohany, nihohoka teo anatrehan'ny Tompo, ary niantso azy, nanao hoe:

2 Ry Tompo Andriamanitr'i Simeona raiko ô, izay nanome sabatra azy hamaliany ny olona hafa firenena, nanao an-keriny tamin'ny virjiny anankiray sy nandoto azy ho afa-baraka,

3 hianao izay nanolotra ny vadin'ireny, ho an'ny mpisavika, sy ny zanany vavy ho amin'ny fahandevozana, ary ny fananany rehetra ho anjara babon'ireo mpanomponao, izay nirehi-pahazotoana hiaro ny voninahitrao, mihanta aminao aho, mba ampio ity mpitondra-tena, ry Tompo Andriamanitro ô. 4 Hianao no nanao ireo asa mahagaga tamin'ny andro teo aloha, sy namorona ny fikasan'ireo izay nanaraka taty aoriana, ka tanteraka izany noho ny sitraponao. 5 Ny làlanao rehetra, voasoritra rahateo; ny fitsaranao koa voalaminao sahady, noho ny fahitanao mialoha. 6 Ankehitriny, jereo ity tobin'ny Asiriana, toraky ny nijerenao fahizay ny tobin'ny Ejipsiana izay nitoky tamin'ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny, sy tamin'ny habetsahan'ny miaramilany mpiady, fony izy nitam-piadiana nanenjika ny mpanomponao. 7 Kanjo nijery ny tobiny hianao ka nesorin'ny aizina ny heriny. 8 Ny hantsana nampihitsoka ny tongony, ary ny rano nanafotra azy. 9 Ho toy izany koa anie ireto, ry Tompo, fa mitoky amin'ny hamaroany izy ireo, sy amin'ny kalesiny aman-donginy, amin'ny ampingany aman-jana-tsipìkany, ary mitohatoha amin'ny lefony izy. 10 Tsy fantany fa hianao no Andriamanitray, dia hianao izay manamongomongo ny tafika hatramin'ny voalohany, sy manana anarana hoe Tompo. 11 Aingao, toy ny fahizany taona izany, ny sandrinao, ka montsany amin'ny herinao ny heriny, azerao eo anoloan'ny hatezeranao ny tanjany, fa manampò hiditra an-keriny amin'ny fitoeranao masina ireo, sy handoto ny tabernaklan'ny anaranao, ary hikapa ny tandroky ny otelinao amin'ny sabany. 12 Ka ny sabany ihany kosa no ataovy mamolona ny avonavon'izany lehilahy izany. 13 Aoka hahavoafandrika azy ny fijereny ahy, ary asio amin'ny teny malefaka aloaky ny vavako izy. 14 Ataovy ampy hery ny foko hanazimbako azy ary ampy tanjaka hamonoako azy. 15 Fa voninahitra tsy very tadidy ho an'ny anaranao, ny hanjeran'ny tanam-behivavy azy. 16 Fa ny herinao, ry Tompo, dia tsy mba amin'ny hamaroan'isa, ny sitra-ponao tsy mba miankina amin'izay tanjaky ny soavaly, ary hatramin'ny voalohany dia tsy mba nankasitraka ny mpiavonavona hianao, fa nankamamy mandrakizay ny olona manetry tena sy malemy fanahy kosa. 17 Ry Andriamanitry ny lanitra ô, Mpahary ny rano sy Tompon'ny zava-boahary rehetra, henoy ity vehivavy mahantra mihanta aminao, sy manankina ny fitokiany amin'ny indrafonao. 18 Tsarovy ny fanekenao, ry Tompo, ka omeo teny ny vavako, omeo hery ny hevitra voakasako ato am-poko, mba hahatahiry ny fahamasinana natafinao azy ny tranonao, ary mba ho fantatry ny firenena rehetra fa hianao no Andriamanitra ka tsy misy hafa afa-tsy hianao ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0813