Bokin'i Joely

Toko voalohany

1 Tenin'ny Tompo tonga tamin'i Joely zanak'i Fatoely.

2 Mihainoa an'izao hianareo anti-panahy; mitongilana sofina hianareo rehetra monina amin'ny tany! Mba efa nisy toy izao va tamin'ny andronareo, na tamin'ny andron'ny razanareo?

3 Aoka hilaza izao hianareo amin'ny zanakareo, ny zanakareo amin'ny zanany, ary ny zanak'izy ireo, amin'ny taranaka mandimby azy.

4 Ny sisan'ny gazana nohanin'ny valala; ny sisan'ny valala nohanin'ny ieleka, ny sisan'ny ieleka nohanin'ny kasila.

5 Mifohaza hianareo mpimamo, ka mitomania; hianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà, noho ny amin'ny divay vaovao; izay notapahana tsy ho amin'ny vavanareo intsony.

6 Fa misy firenena niakatra tamin'ny taniko sady mahery no tsy hita isa; ka ny nifiny dia nifin-diona; ary ny vazany vazan-diom-bavy.

7 Nosimbany ny voaloboko; notapatapahany ny aviaviko; dia nataony makiky sady nazerany ireny; ary tonga tena fotsy mihitsy ny rantsany.

8 Midradradradra hianao toy ny virjiny mitafy lasaka hitomany ny vadin'ny fahatanorany.

9 Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka ao an-tranon'ny Tompo; misaona ny mpisorona mpanao raharahan'ny Tompo!

10 Simba ny saha; misaona ny tany, fa levona ny vary, mangaihay ny divay vaovao, reraka ny diloilo.

11 Mangaihaiza, ry mpiasa tany, midradradradra ry mpamboly voaloboka, noho ny amin'ny vary sy ny orja; satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.

12 Mangaihay ny voaloboka, ary reraka ny aviavy; ny ampongabendanitra mbamin'ny antrendry sy ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha no efa maina avokoa; menatra ny hafaliana ka nihataka lavitra ny zanak'olombelona.

13 Mietrà, mitolokoa, hianareo mpisorona; midradradradrà hianareo mpanao ny fanompoana momba ny otely! Avia hiari-tory mitafy lasaka, hianareo mpandraharahan'Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon'Andriamanitrareo.

14 Miantsoa fifadian-kanina; mamoria fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin'ny tany, ao an-tranon'ny Tompo Andriamanitrareo,

15 ka mitarainà amin'ny Tompo hoe: Indrisy, ity andro ity! Fa efa antomotra ny andron'ny Tompo! Tamy toy ny fandravana avy amin'ny Tsitoha!

16 Tsy efa nesorina teo imasontsika va, ny hanina mbamin'ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra tao an-tranon'Andriamanitsika?

17 Maina tao ambany bainga ny voa nafafy; foana ny sompitra; mirodana ny trano fitahirizana, satria mangaihay ny vary.

18 Endrey izany fitolokon'ny biby: Mihoalahoala ny andian'omby, satria tsy manan-kanina izy, miferinaina mbamin'ny andian'ondry.

19 Mitaraina aminao aho, Iaveh ô, fa levon'ny afo ny kijana an'efitra, voadoron'ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.

20 Mimamamama miantso anao hatramin'ny biby dia, satria ny renirano ritra; ny kijana an'efitra levon'ny afo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0382