Bokin'i Joely
Joely toko 2
Efa antomotra ny andron'Iaveh - Loza mahatsiravina - Fiantsoana hibebaka hampionona ny hatezeran'Andriamanitra - Fitahiana sy fanambinan'Andriamanitra an'Israely.
1Tsofy ao Siona, ny anjomara;
ary ampanenoy ao an-tendrombohitro masina ny trompetra.
Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany,
fa tonga ny andron'ny Tompo, fa efa antomotra!
2Andro maizina sy manjombona,
andro mandrahona sy manjavona mainty!
Toy ny fahazavan'ny maraina, manerana ny tendrombohitra,
no ihavian'ity firenena maro sady mahery,
tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay,
ary tsy hisy toy izany any aoriana any,
hatramin'izay taon-ko avy amin'ny andro mbola ho ela indrindra.
3Eo alohany misy afo mandevona,
ary eo aoriany misy lelafo mandoro.
Ny tany eo alohany, toy ny zaridainan'i Edena,
ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava;
tsy misy tsy asiany na kely akory aza.
4Toy ny soavaly no fijery azy,
ary toy ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5Misy re hoatra ny firodorodon'ny kalesy
mievotrevotra eny an-tampon-tendrombohitra;
tahaka ny firohondrohon'ny lelafo,
mandevona ny mololo;
ary tahaka ny firenena mahery,
voalahatra hiady.
6Eo anoloan'izy ireo ny firenena mangovitra matahotra,
ny tarehy mivaloarika avokoa.
7Mihazakazaka hoatra ny olo-mahery izy ireo,
mananika ny manda, toy ny lehilahy mpiady,
samy mandeha amin'ny làlany avy;
fa tsy mifanjevo amin'ny làlana alehany akory.
8Tsy mba misy mifanosika izy,
fa samy mizotra amin'ny làlany avy;
mirimorimo eo afovoan'ny zana-tsipìka izy,
ary tsy mba mandrava laharana.
9Miely eran'ny tanana izy,
mihazakazaka eo ambonin'ny manda,
mananika ny trano,
mitsofoka amin'ny varavarankely toy ny mpangalatra.
10Eo anoloan'izy io mihorohoro ny tany,
mihozongozona ny lanitra,
mihamaizina ny masoandro amam-bolana,
ary mihamaloka ny kintana.
11Ampandrenesin'ny Tompo ny feony eo amin'ny loha tafiny;
fa tsy erany ny haben'ny tobiny,
ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny.
Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'ny Tompo,
ka zovy no hahatanty an'izany?
12Na ankehitriny aza anefa, - teny marin'ny Tompo,
miverena amiko, amin'ny fonareo rehetra,
amin'ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.
13Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo,
dia miverena amin'ny Tompo Andriamanitrareo,
fa mamindra fo sy miantra izy,
malain-kitezitra sy be hatsaram-po,
ary ny loza afitsony dia alahelovany.
14Iza moa no mahalala fa tsy hihemotra sy tsy hanenina,
ary tsy hamela fitahiana eo aoriany izy,
dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an'ny Tompo Andriamanitsika?
15Tsofy ao Siona, ny trompetra,
miantsoa fifadian-kanina,
mamoria fiangonana.
16Eho ny vahoaka,
miantsoa fivoriana masina,
angony ny anti-panahy,
vorio ny ankizy madinika,
sy ny zaza minono.
Aoka ny mpampakatra handao ny efi-tranony,
ary ny ampakarina ny trano lainy.
17Eo anelanelan'ny alo-baravarana sy ny otely, dia aoka ny mpisorona
mpanao raharahan'ny Tompo, hitomany
ka hanao hoe: Iaveh ô, tsimbino ny vahoakanao,
aza hatolotrao halam-baraka ny lovanao,
ka hataon'ny firenena fandatsa.
Ahoana no dia hanaovana any amin'ny firenena hoe:
Fa aiza izay Andriamaniny?
18Nentanin'ny fahasarotam-piaro ny taniny Iaveh
ka namindra fo ny vahoakany.
19Dia namaly Iaveh ka nanao tamin'ny vahoakany hoe:
Indro hianareo efa nandefasako vary,
sy divay vaovao amam-diloilo,
dia ho vokin'izany hianareo;
ary tsy hataoko fandatsa any amin'ny firenena intsony hianareo.
20Hampanalaviriko anareo ilay avy any avaratra,
ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy efitra izy;
ny lohan-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana;
ny vodi-làlany ho any amin'ny ranomasina andrefana;
ka fofona mantsina no hanetona avy aminy,
ary hiakatra ny fahamaimboany
satria nahefa zava-dehibe izy.
21Aza matahotra, ry tany,
fa mifalia sy miravoravoa,
satria nanao zava-dehibe Iaveh!
22Aza matahotra, ry biby any an-tsaha,
fa ny kijana any an'efitra efa nihamaitso indray,
ny hazo, efa namoa;
ny aviavy amam-boaloboka nanolotra ny vokany sarobidy.
23Ary hianareo, ry zanak'i Siona, aoka hientan-kafaliana
sy hiravoravo ao amin'ny Tompo Andriamanitrareo;
fa ny mpampianatra efa nomeny anareo hanoro ny marina,
ny ando alatsany ho anareo,
dia ny fara orana sy ny loha orana, toy ny taloha indray.
24Ho feno vary ny famoloanareo;
ary ho tondraka ny divay vaovao aman-diloilo ao amin'ny barika.
25Honerako aminareo ny taona
nolevonin'ny valala sy ny jeleka ary ny kasila sy ny gazana,
izay tafiko lehibe efa nalefako hamely anareo.
26Hihinana be hianareo ka ho voky,
dia hidera ny anaran'ny Tompo, Andriamanitrareo,
izay nanao zava-mahagaga ho anareo;
ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako, na oviana na oviana.
27Dia ho fantatrareo fa eo afovoan'Israely aho!
Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa intsony;
ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako na oviana na oviana! >