Bokin'i Joely
Joely toko 4
Fahatanterahan'ny fanjakan'Andriamanitra - Fivorian'ny firenena, ao an-dohasahan'i Josafata - Famaizana ny fahavalon'Israely - Ny fisehoan'ny fitsarana - Matoky sy miadana ny vahoakan'Andriamanitra.
1Fa amin'izany andro izany, sy amin'izany fotoana izany,
izay hampodiako ireo lasan-ko babo avy amin'i Jodà sy Jerosalema,
2dia indro fa hovoriko ny firenena rehetra,
ka hoentiko midina ho eo amin'ny lohasahan'i Josafata;
ary eo no hifandaharako amin'izy ireo,
noho ny amin'Israely vahoakako sy lovako,
izay naeliny tany amin'ny firenena,
sy noho ny amin'ny taniko izay nozarazarainy.
3Satria nanaovany loka ny vahoakako,
zazalahy no nataony takalon'ny vehivavy janga,
ary zazavavy no namidiny divay, ka nisotro izy ireo.
4Ny aminareo koa dia mifaninona izaho sy hianareo, ry Tira sy Sidona,
mbaminareo faritany rehetra any Filistina?
Mitady ny hamaly ahy va hianareo?
Raha mba mihaika ahy hianareo,
dia vetivety foana tsy ampy toy inona no hanatsingerenako
eo an-dohanareo ny fihaikanareo;
5fa hianareo no naka ny volafotsy amam-bolamenako,
hianareo no nitondra ho any an-tempolinareo
ny firavako sarobidy indrindra;
6hianareo no nivarotra tamin'ireo zanak'i Javàna
ny zanakalahin'i Jodà sy ny zanakalahin'i Jerosalema,
mba hitondrana azy lavitra ny taniny.
7Fa indro aho kosa efa hampitsangana azy any amin'ny tany
nivarotanareo azy,
sy hampitsingerina ny fihaikanareo ho eo an-dohanareo.
8Hamidiko ny zanakalahy aman-janakavavinareo
ho eo an-tanan'ny zanak'i Jodà,
ka hamidiny amin'ny Sabeana
amin'ny firenena lavitra any;
fa Iaveh efa niteny.
9Miantsoa izao any amin'ny firenena:
Miomàna hiady hianareo!
Asaovy mitsangàna ny lehilahy mahery!
Aoka hanatona, aoka hiakatra avokoa,
ny lehilahy mpiady rehetra!
10Manaova sabatra amin'ny angadinareo;
sy lefona amin'ny antsinareo;
aoka ny osa hilaza hoe: olo-mahery fo aho!
11Faingàna hianareo, tongava avokoa
hianareo firenena manodidina rehetra, ka mivoria.
Tompo o, ento midina ao ny maherinao!
12Aoka hitsangana ny firenena, ary aoka hiakatra izy
ho eny amin'ny lohasahan'i Josafata!
Fa any no hipetrahako hitsara
ny firenena rehetra manodidina.
13Raiso ny antsy fijinjana
fa masaka ny vary;
avia hanosihosy
fa feno ny famiazam-boaloboka,
mihoatra ny barika;
satria be ny haratsian'izy ireo.
14Vahoaka be, vahoaka be,
ao amin'ny lohasahan'ny fanapahana!
15Ny masoandro amam-bolana, nihamaizina,
afaka amin'ny kintana ny famirapiratany.
16Hierona avy ao Siona Iaveh,
ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema izy;
hihorohoro ny tany aman-danitra.
Nefa Iaveh no ho fialofana ho an'ny vahoakany,
ho fiarovana ho an'ny zanak'Israely.
17Dia ho fantatrareo fa Iaveh Andriamanitrareo aho,
izay monina ao Siona, tendrombohitro masina;
ho fitoerana masina, Jerosalema,
ka tsy hodiavin'ny hafa firenena intsony.
18Amin'izany andro izany dia hitete avy amin'ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao;
ny havoana handriaka ronono;
ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan'ny rano avokoa.
Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon'ny Tompo,
ka handena ny lohasahan'ny Akasià.
19Ejipta kosa, hanjary tany lao,
Edoma ho efitra faharavana,
noho ny fahasiahana namelezany ny taranak'i Jodà,
fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin'ny taniny izy ireo.
20Ary Jodà, honenana mandrakizay,
ary Jerosalema koa mandritra ny taona mifandimby.
21Fa hosasako ny ran'izy ireo, izay mbola tsy voasasako.
Dia honina ao Siona Iaveh. >