Bokin'i Jonasa

Toko faha-4

1 Nampalahelo mafy an'i Jonasa izany, ka tezitra terý izy.

2 Nanao fivavahana tamin'ny Tompo izy nanao hoe: Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin'ny taniko. Koa izany no nandosirako ho any Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana hianao, ary manenina amin'ny loza voalazanao. 3 Koa ankehitriny Iaveh ô, esory amiko ny fanahiko, fa aleoko maty toy izay velona. 4 Fa hoy ny navalin'ny Tompo: Mety va ny hatezeranao? 5 Dia nivoaka ny tanàna Jonasa, ka nipetraka teo atsinanan-tanàna, nanao trano rantsan-kazo ho azy, sy nipetraka nialokaloka teo ambanin'io mandra-pahitany izay hanjo ny tanàna.

6 Ary Iaveh, Andriamanitra, nampaniry tanatanamanga, izay nisondrotra teo ambonin'i Jonasa, mba hialokalofan'ny lohany mba hanafahana azy amin'ny alahelony; ka nahatsiaro faly ery i Jonasa, tamin'ny tanatanamanga. 7 Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana, dia nandefa fositra Iaveh hamely ilay tanatanamanga, ka tonga maina izy. 8 Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Iaveh sady nasian'ny masoandro ny lohan'i Jonasa, ka efa hana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy nanao hoe: Aleoko maty toy izay ho velona. 9 Fa hoy Iaveh tamin'i Jonasa: Mety va izao hatezeranao, noho ny amin'ny tanatanamanga izao? Ka hoy ny navaliny: Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko. 10 Dia hoy Iaveh: Hianao malahelo noho ny amin'ny tanatanamanga izay tsy nisasaranao, tsy nampanirinao, izay naniry tamin'ny indray alina koa;

11 ka izaho va tsy mba halahelo noho ny amin'i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin'ny haviany, ary biby be dia be!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0473