Bokin'i Josoe

Toko voalohany

1 Rahefa maty Moizy, mpanompon'ny Tompo, dia niteny tamin'i Josoe zanak'i Nòna, mpanompon'i Moizy, Iaveh nanao hoe:

2 Efa maty Moizy, mpanompoko, koa mitsangàna hianao ankehitriny, mità an'io Jordany io, hianao sy izao vahoaka rehetra izao, ho any amin'ny tany izay omeko ny zanak'Israely. 3 Efa nomeko anareo avokoa, araka ny voalazako tamin'i Moizy, ny tany rehetra hodiavin'ny faladianareo. 4 Hatramin'ny efitra sy hatramin'io Libàna io ka hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, dia ny tanin'ny Heteana rehetra, ary hatramin'ny ranomasina lehibe any amin'ny fisitrihan'ny masoandro, no ho faritaninareo. 5 Tsy hisy olona hahatohitra anao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Moizy no hombako anao koa; tsy hahafoy anao aho na handao anao. 6 Matanjaha ary mahereza fo, fa hianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin'ny razany homena azy. 7 Fa matanjaha kosa ary mahereza fo tokoa, sady mitandrema tsara mba hanaraka ny lalàna rehetra nandidian'i Moizy mpanompoko anao. Aza mivily amin'izany na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia, mba hahomby hianao amin'izay rehetra hataonao. 8 Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin'ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman'alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin'izany dia hiadana amin'ny làlanao rehetra sy hahomby tsara hianao. 9 Tsy efa nodidiako hianao va amin'ny hoe: matanjaha ary mahereza fo; aza matahotra na manam-badi-po, fa Iaveh Andriamanitrao no momba anao na aiza na aiza halehanao. 10 Dia nanome izao didy izao tamin'ny manam-boninahitry ny vahoaka Josoe: Mandehana mitety ny toby hianareo, ka mandidia ny olona hoe:

11 Manomàna vatsy hianareo, fa raha afaka hateloana dia hita an'ity Jordany ity hianareo, handeha haka ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrareo ho fanananareo. 12 Ary izao no teny nataon'i Josoe, tamin'ny Robenita sy ny Gadita, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase:

13 Tsarovy ny nandidian'i Moizy, mpanompon'ny Tompo, anareo nanao hoe: Efa nomen'ny Tompo fitsaharana hianareo, sy nomeny ity tany ity. 14 Koa ny vady aman-janakareo madinika, mbamin'ny biby ompianareo, dia hijanona amin'ny tany nomen'i Moizy anareo, ety an-dafin'i Jordany. Fa hianareo lehilahy matanjaka sy mahery fo rehetra kosa, dia hita mitondra fiadiana eo alohan'ny rahalahinareo, 15 ary hanampy azy hianareo mandra-panomen'ny Tompo fitsaharana toa anareo koa amin'ny rahalahinareo, ka efa mahazo ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrareo azy izy ireo; izay vao hiverina hianareo amin'ny tany izay anareo, aty an-dafin'i Jordany, fiposahan'ny masoandro. 16 Dia namaly an'i Josoe izy ireo, ka nanao hoe: Hataonay avokoa izay rehetra nandidianao anay. 17 Toy ny nanekenay an'i Moizy tamin'ny zavatra rehetra, no hanekenay anao koa. Fa aoka kosa anie homba anao Iaveh Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Moizy. 18 Na zovy na zovy mandà ny didinao, ka tsy manaiky amin'izay rehetra andidianao, dia hatao maty. Fa matanjaha kosa ary mahereza fò.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1205