Bokin'i Josoe

Toko faha-11

1 Nony nandre izany Jabina, mpanjakan'i Asora, dia nandefa iraka, nankany amin'i Jobaba mpanjakan'i Madona, sy amin'ny mpanjakan'i Semerona, sy amin'ny mpanjakan'i Aksafa,

2 amin'ireo mpanjaka amin'ny tendrombohitra any avaratra sy any amin'ny Arabaha any atsimon'i Kenereta, any amin'ny tany lemaka sy ny havoan'i Dora any andrefana, 3 amin'ny Kananeana atsinanana sy andrefana, amin'ny Amoreana, ny Heteana, ny Ferezeana, ny Jeboseana, any an-tendrombohitra, ary amin'ny Heveana any ambodin'i Hermona, dia any amin'ny tany Masfà. 4 Dia nivoaka ireny, dia izy nomban'ny tafiny rehetra, vahoaka tsy hita isa toy ny fasika any amoron-dranomasina, sy ny soavaly aman-kalesy be dia be indrindra. 5 Nivory avokoa ireo mpanjaka ireo, dia tonga niara-nitoby teo akaikin'ny ranon'i Meroma, mba hanafika an'Israely. 6 Ary hoy Iaveh tamin'i Josoe: Aza matahotra an'ireo fa rahampitso toy izao dia hatolotro eo anoloan'Israely izy ireo, ka hatolotro izy efa voagorobaka avokoa, ka traingoy ny soavaliny, ary dory ny kalesiny. 7 Dia nirotsaka tampoka tamin'izy ireo teo akaikin'ny ranon'i Meroma Josoe sy ny mpiantafika rehetra niaraka taminy ka niantoraka aminy. 8 Natolotry ny Tompo teo an-tànan'Israely izy ireo, ka nasiany sy nenjehiny hatrany Sidona lehibe sy hatrany amin'ny ranon'i Maserefota ary hatrany amin'ny lohasahan'i Masfà any atsinanana; nasiany ireny ka tsy navelany hisy afa-nandositra na dia iray aza. 9 Dia nataon'i Josoe tamin'izy ireo araka izay nolazain'ny Tompo azy, ka ny soavaliny notraingoiny, ny kalesiny nodorany tamin'ny afo. 10 Tamin'izany andro izany ihany Josoe dia niverina naka an'i Asora, ka namono ny mpanjakany, fa Asora no renivohitr'ireny fanjakana ireny fahiny. 11 Nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny manana aina rehetra teo, ka nataony anatema, tsy nisy niangana rahefa mety ho manana aina koa, ary Asora dia nodorana. 12 Azon'i Josoe avokoa ny tanànan'ireny mpanjaka ireny, sy ny mpanjakany; nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ireny, dia nataony anatema, araka ny didin'i Moizy, mpanompon'ny Tompo.

13 Tsy nisy nodoran'Israely anefa ny tanàna niorina teny an-kavoana, afa-tsy Asora ihany, izay nodoran'i Josoe. 14 Ary ny zavatra rehetra mety ho babo tamin'ireny, sy ny biby fiompiny dia norobain'ny zanak'Israely ho azy; fa ny lehilahy rehetra kosa dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-paharingany, tsy nisy niangana rahefa mety ho manana aina. 15 Izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy mpanompony dia nandidian'i Moizy an'i Josoe koa, ka notanterahain'i Josoe, tsy nisy namelany izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 16 Toy izany no nahazoan'i Josoe izany tany rehetra izany, dia ny Tendrombohitra, ny Negeba manontolo, ny faritanin'i Gosena rehetra, ny tany lemaka, ny Arabaha, ny tany havoana sy ny tany lemak'Israely,

17 hatramin'ny tendrombohitra mangadihady misondrotra mankany Seira, ka hatrany Baala-Gada, amin'ny lohasahan'i Libàna, ao ambodin'ny tendrombohitra Hermòna; nosamboriny ny mpanjakany rehetra, ka novonoiny sy nataony maty. 18 Naharitra andro maro ny niadian'i Josoe tamin'ireo mpanjaka rehetra ireo. 19 Tsy nisy tanàna iray akory nanao raharaham-pihavanana tamin'ny zanak'Israely afa-tsy ny Heveana izay nonina tao Gabaona, fa tamin'ny fiadiana avokoa no nahazoany azy. 20 Satria hevitra nokendren'ny Tompo no nanamafisan'ireo vahoaka ireo ny fony hiady amin'Israely mba hanaovan'ny Tompo azy ho anatema, ka tsy hanaovany famindram-po aminy fa handringanany azy, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 21 Tamin'izany andro izany ihany koa no nandehanan'i Josoe sy nandringanany ny Enakima tany amin'ny Tendrombohitra, tany Hebrona, tany Dabira ary tany Anaba, tany amin'ny tendrombohitr'i Jodà rehetra sy tany amin'ny tendrombohitr'Israely rehetra. Nataon'i Josoe anatema avokoa ireo mbamin'ny tanànany;

22 ka tsy nisy Enakima intsony, teo amin'ny tanin'ny zanak'Israely; fa tany Gazà sy Geta ary Azota no sisa nisy. 23 Azon'i Josoe avokoa ny tany rehetra araka ny voalazan'ny Tompo tamin'i Moizy, ka nomen'i Josoe ho lovan'Israely, natokany araka ny fokony avy. Dia nitsahatra tamin'ny ady ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1802