Bokin'i Josoe

Toko faha-12

1 Ireto no mpanjakan'ny tany resin'ny zanak'Israely, ary nalainy ny taniny any an-dafin'i Jordany any atsinanana, hatramin'ny ranon-driakan'i Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona, sy ny Arabaha manontolo any atsinanan'ny ony:

2 Sehona mpanjakan'ny Amoreana, izay nonina tao Hesebona; ny takatry ny fahefany dia hatrany Aroera, eo amin'ny ranon-driak'i Arnona, ary hatreo am-pamatonan'ny lohasaha amin'ny antsasak'i Galaada, ka hatramin'ny ranon-driaka Jaboaka, faritry ny tanin'ny taranak'i Amona, 3 amin'ny Arabaha, hatrany amin'ny ranomasina Kenereta any atsinanana, sy amin'ny ranomasin'ny Arabaha dia ny ranomasin-tSira any atsinanana, amin'ny làlana mankany Betisimota; ary amin'ny ilany atsimo dia hatrany am-pototry ny kisolasolan'i Fasgà. 4 Ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basàna, isan'ny sisan'ny Refaima nonina tao Astarota sy Edraia: 5 ny takatry ny fahefany dia ny tendrombohitra Hermona, Salekà, Basàna rehetra, hatramin'ny faritry ny tanin'ny Gesorima sy ny Makatiana ary ny antsasak'i Galaada, faritanin'i Sehona mpanjakan'i Hesebona. 6 Moizy mpanompon'ny Tompo sy ny zanak'Israely no nandresy an'ireo; ary ny Robenita sy ny Gadita, mbamin'ny antsasaky ny fokon'i Manase no nomen'i Moizy mpanompon'ny Tompo ny tanin'izy ireo mba ho fananany. 7 Ireto kosa ny mpanjaka resin'i Josoe sy ny zanak'Israely aty an-dafin'i Jordany, aty andrefana, hatramin'i Baala-Gada, amin'ny lohasahan'i Libàna, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady misondrotra mankany Seira. Nomen'i Josoe ny fokon'Israely, araka ny fianakaviany avy, izany tany izany, ho fananany,

8 dia ny any amin'ny tendrombohitra, ny any amin'ny tany iva, ny any amin'ny havoana, ny any an'efitra ary ny any amin'ny Negeba, izay tanin'ny Heteana, ny Amoreana, ny Kananeana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jaboseana. 9 Ny mpanjakan'i Jerikao, iray; ny mpanjakan'i Haia akaikin'i Betela, iray;

10 ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray; 11 ny mpanjakan'i Jerimota, iray; ny mpanjakan'i Lakisa, iray; 12 ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray; 13 ny mpanjakan'i Dabira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray; 14 ny mpanjakan'i Hermà, iray; ny mpanjakan'i Hereda, iray; 15 ny mpanjakan'i Lebnà, iray; ny mpanjakan'i Odolama, iray; 16 ny mpanjakan'i Makedà, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray; 17 ny mpanjakan'i Tafnà, iray; ny mpanjakan'i Ofera, iray; 18 ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray; 19 ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Asora, iray; 20 ny mpanjakan'i Semerona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray; 21 ny mpanjakan'i Tanàka, iray; ny mpanjakan'i Magedao, iray; 22 ny mpanjakan'i Kadesa, iray; ny mpanjakan'i Jakanàna any Karmela, iray; 23 ny mpanjakan'i Dora, eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'i Gojima, iray; 24 tontaliny, mpanjaka iraika amby telopolo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1253