Bokin'i Josoe

Toko faha-17

1 Mbola nisy zara tany koa ho an'ny fokon'i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan'i Josefa. Makira lahimatoan'i Manase sy rain'i Galaada dia nahazo an'i Galaada sy Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.

2 Ny taranak'i Manase sisa koa, dia samy nomena anjara araka ny fianakaviany avy, dia ny taranak'i Abiezera, ny taranak'i Heleka, ny taranak'i Esriela, ny taranak'i Sekema, ny taranak'i Hefera, ary ny taranak'i Semidà; ireo no zanakalahin'i Manase zanak'i Josefa, araka ny fianakaviany. 3 Salfaada, zanak'i Hefera, zanak'i Galaada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, tsy nanan-janakalahy, fa zanakavavy no nananany; ka ireto no anaran'ny zanany vavy: Maalà, Noà, Heglà, Melkà, ary Tersà. 4 Nankeo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan'i Josoe zanak'i Nòna, sy teo anatrehan'ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: Nandidy an'i Moizy Iaveh hanome zara tany anay eo amin'ny anadahinay. Dia nomena zara tany teo amin'ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin'ny Tompo. 5 Koa nahazo anjaram-polo Manase, afa-tsy ny tany Galaada sy Basàna, any an-dafin'i Jordany, 6 satria ny zanaka vavin'i Manase dia nahazo lova teo afovoan'ny zanakalahin'i Manase sisa. 7 Ny faritry ny tanin'i Manase, dia hatrany Asera no mankany Makmetata, izay tandrifin'i Sikema, ka nandroso niankavanana ny faritry ny tany mankany amin'ny mponina ao En-Tafoà:

8 An'i Manase ny tany momba an'i Tafoà; fa Tafoà any amin'ny vava tanin'i Manase, no an'ny taranak'i Efraïma. 9 Dia nidina ny faritry ny tany ho ao amin'ny ranon-driak'i Kanà, eo atsimon'ny ranon-driaka; ny tanàna amin'io tany io, izay lasan'i Efraïma, dia tao afovoan'ny tanànan'i Manase, ary ao avaratry ny ranon-driaka ka mipaka amin'ny ranomasina, no faritry ny tanin'i Manase. 10 Koa ny ao atsimo dia an'i Efraïma, fa ny ao avaratra no an'i Manase, ary ny ranomasina no mamaritra azy. Eo avaratra izy manolotra an'i Asera, ary ao atsinanana, an'i Isakara. 11 Izao no lasan'i Manase tao amin'ny tanin'Isakara sy Asera: Betisàna sy ny tanàna momba azy, Jeblaama sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Dora sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Tenàka sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Magedao sy ny tanàna momba azy: ireo no faritanin'i Havoan-telo. 12 Tsy nahazo an'ireo tanàna ireo ny zanak'i Manase, ka dia sahy nipetraka tamin'izany tany izany ny Kananeana. 13 Nony efa nihamahery ny zanak'Israely dia nampandoaviny hetra ny Kananeana fa tsy noroahiny. 14 Ary niteny tamin'i Josoe, ny taranak'i Josefa ka nanao hoe: Efa tonga vahoaka be izahay izao, ary notahin'ny Tompo mandrak'androany izahay, ka nahoana no dia loka iray sy anjara iray ihany no nomenao anay?

15 Dia hoy Josoe taminy: Raha vahoaka be àry hianareo miakara any an'ala, ka miteveza any amin'ny tanin'ny Ferezeana sy ny Refaima honenanareo, rahefa ety tsy omby anareo ny tendrombohitr'i Efraïma. 16 Fa hoy ny taranak'i Josefa: Ny tendrombohitra dia tsy omby anay, nefa samy manan-kalesy vy avokoa ao amin'ny Kananeana rehetra monina amin'ny tany lemaka, na ireo any Betisàna sy ny tanàna momba azy, na ireo amin'ny lohasahan'i Jezraela. 17 Izao no navalin'i Joseo ny fianakavian'i Josefa, dia Efraïma sy Manase: Vahoaka be hianao; ka be hery koa; dia tsy anjara iray ihany no anao; 18 fa ho anao koa ny tendrombohitra; ala izany ka dia hotevenao dia ho anao ny sisiny, satria horoahinao ny Kananeana na manan-kalesy vy sy mahery aza izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.12