Bokin'i Josoe

Toko faha-18

1 Nivory ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra tao Silao, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.

2 Fito ny foko sisa tsy mbola nahazo ny lovany tamin'ny fokon'ny zanak'Israely.

3 Hoy Josoe tamin'ny zanak'Israely: Mandra-pahoviana hianareo no hanao tsikamokamo amin'ny fakana ny tany izay nomen'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo? 4 Koa mifidiana telo lahy isam-poko hianareo, dia hirahiko izy, ary hiainga ka hitety ny tany ireo, ka handahatra ny toetry ny tany hizarana azy, ary hiverina aty amiko indray. 5 Hozarainy fito toko ny tany; Jodà hitoetra amin'ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa hitoetra amin'ny faritaniny ao avaratra. 6 Hianareo àry handahatra ny toetry ny tany hataonareo fito toko, ka hoentinareo mankaty amiko, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan'ny Tompo Andriamanitsika aho. 7 Fa ny Levita, dia tsy mba hanana anjara, ary Gada sy Robena mbamin'ny antsasaky ny fokon'i Manase dia efa nahazo ny lovany tany an-dafin'i Jordany any atsinanana, izay nomen'i Moizy mpanompon'ny Tompo azy. 8 Dia niainga ireo lehilahy ireo, ka lasa nandeha, ary nomen'i Josoe didy izy ireo raha nandeha mba handaharany ny toetry ny tany ka nataony hoe: Mandehana hianareo tetezo ny tany, ka alaharo ny toetrany dia miverena aty amiko, amin'izay aho hanao filokana ho anareo eto Silao eto anatrehan'ny Tompo?

9 Nandeha ireo lehilahy ireo, ary noteteziny ny tany, nalahany tamin'ny boky ny toetrany isan-tanàna, nataony fito toko, dia niverina tany amin'i Josoe tao an-toby tao Silao izy. 10 Dia nanao filokana ho azy ireo, teo anatrehan'ny Tompo, Josoe tao Silao, ka tao no nizaran'i Josoe ny tany tamin'ny zanak'Israely araka ny anjarany. 11 Ny fokon-taranak'i Benjamina araka ny fianakaviany no azon'ny olka, ary ny faritany lasany tamin'ny filokana dia ao anelanelan'ny an'ny taranak'i Jodà sy ny taranak'i Josefa.

12 Amin'ny lafiny avaratra ny faritry ny taniny dia nanomboka eo Jordany dia niakatra ny faritra nianavaratra amin'ny kosolasolan'i Jerikao, dia niakatra indray tamin'ny tendrombohitra any andrefana, ary nipaka tamin'ny efitra Betavena. 13 Avy eo ny faritra dia nahazo an'i Lozy amin'ny kisolasolan'i Lozy, any atsimo, dia Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarot-Adara, nihazo tamin'ny tendrombohitra ao atsimon'i Betorona ambany. 14 Amin'ny lafiny andrefana dia nandroso ny faritry ny tany ary niolaka hatramin'ny tendrombohitra ao anoloan'i Betorona eo atsimo, ka nipaka tamin'i Kariata-Baala, dia Kariata-Jearima izany, tanànan'ny taranak'i Jodà; izany no lafiny andrefana. 15 Amin'ny lafiny atsimo, nanomboka eo amin'ny tendron'i Kariata-Jearima ny faritry ny tany, ary nandroso niankandrefana nipaka tamin'ny lohan'ny ranon'i Neftòa, 16 dia nidina ny faritra avy amin'ny faran'ny tendrombohitra izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Enoma, ao amin'ny tany lemaky ny Rafaima, eo avaratra; dia nidina indray nandeha amin'ny lohasahan'i Enoma, mankamin'ny kisolasola atsimon'ny Jeboseana, dia nidina hatrany amin'ny loharanon'i Rogela; 17 nandroso any avaratra ary nipaka tamin'i En-semesa, nipaka tamin'i Gelilota izay eo an-tandrifin'ny fiakaran'i Adomima, ary nidina mankamin'ny vaton'i Boena zana-dRobena, 18 nihazo tamin'ny ilany avaratra ny tendrombohitra eo anoloan'ny Arabaha, nidina tamin'ny Arabaha, 19 Nihazo tamin'ny kisolasola avaratr'i Beti-Haglà ny faritry ny tany, ary nipaka tamin'ny farany avaratra amin'ny ranomasin-tSira ny faritry ny tany eo amin'ny vava ranon'i Jordany, ao atsimo: izany no farany atsimo. 20 Ary ny farany atsinanana dia Jordany. 21 Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny faritra manodidina azy manontolo, araka ny fianakaviany.

22 Ary ny tanànan'ny fokon'ny taranak'i Benjamina araka ny fianakaviany dia: Jerikao, Beti-Heglà, Eneka-Kaisy, Beti-Arabà, Samaraïma,

23 Beteta, Avima, Afarà, Ofera, 24 Kefara-Emona, Ofnì ary Gabe: tanàna roa ambin'ny folo sy ny zanabohiny. 25 Gabaona, Ramà, Berota, 26 Mesfe, Kafarà, Amosa, 27 Rekema, Jarefela, Tarelà, 28 Selà, Elefa, Jebosy, dia Jerosalema izany, Gabaata ary Kariata: tanàna efatra ambin'ny folo, sy ny zanabohiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.095