Bokin'i Josoe

Toko faha-21

1 Nanatona an'i Eleazara, mpisorona, sy Josoe, zanak'i Nona ary ny loham-pianakaviana amin'ny fokon'ny zanak'Israely, ny loham-pianakavian'ny Levita,

2 ka niteny tamin'izy ireo, tao Silao, amin'ny tany Kanaana, nanao hoe: Didy noomen'ny Tompo an'i Moizy ny hanomezana tanàna honenanay sy ny tany manodidina azy ho an'ny bibinay. 3 Dia iazo no tanàna sy ny tany manodidina azy, nomen'ny zanak'Israely, avy amin'ny lovany, ho an'ny Levita, araka ny didin'ny Tompo. 4 Ny fianakavian'ny Kaatita aloha no nanaovana ny loka, ka tanàna telo ambin'ny folo tamin'ny fokon'i Jodà sy ny fokon'i Simeona, ary ny fokon'i Benjamina no azon'ny taranak'i Aarona, mpisorona, anisan'ny levita, tamin'ny filokana,

5 ary ny tanàna folo tamin'ny fianakaviana, fokon'i Efraima sy fokon'i Dana, ary antsasa-pokon'i Manase, no azon'ny taranak'i Kaata sisa, tamin'ny loka. 6 Tanàna telo ambin'ny folo, tamin'ny fianakaviana fokon'Isakara sy fokon'i Asera ary fokon'i Neftalì, sy antsasa-pokon'i Manase, any Basàna, no azon'ny taranak'i Gersona tamin'ny loka. 7 Tanàna roa ambin'ny folo tamin'ny fokon-dRobena, sy fokon'i Gada, ary fokon'i Zabolona, no azon'ny taranak'i Merarì, araka ny fianakaviany. 8 Ireo sy ny tany manodidina azy no nomen'ny zanak'Israely tamin'ny olka, ho an'ny taranak'i Levì, araka ny didy nomen'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy. 9 Ny tanàna nomeny avy tamin'ny fokon-taranak'i Jodà, sy fokon-taranak'i Simeona, dia ireto voatondro amin'ny anarany avy;

10 dia ho an'ny taranak'i Aarona, izay anisam-pianakavian'ny Kaatita amin'ny taranak'i Levì, fa izy ireo no nanaovana ny loka voalohany. 11 Dia nomeny azy, tao amin'ny tendrombohitr'i Jodà, ny tanànan'i Arbe, rain'i Enàka, dia Hebrona izany, ary ny tany manodidina azy. 12 Fa ny saha momba izany tanàna izany sy ny zanabohiny kosa anefa dia nomeny an'i Kaleba, zanak'i Jefone, ho fananany. 13 Ny taranak'i Aarona mpisorona dia nomeny ny tanàna fialofan'ny mamono olona, dia Hebrona sy ny manodidina azy, ary koa Lebnà sy ny manodidina azy, 14 Jetera sy ny manodidina azy, Estemao sy ny manodidina azy, 15 Holòna sy ny manodidina azy, Dabira sy ny manodidina azy, 16 Aina sy ny manodidina azy, Jeta sy ny manodidina azy, Betsamesy sy ny manodidina azy, tanàna sivy no avy amin'ireo foko roa ireo. 17 Ny avy ami'ny fokon'i Benjamina, dia Gabaona sy ny manodidina azy, Gabaà sy ny manodidina azy, 18 Anatota sy ny manodidina azy, Almona sy ny manodidina azy, dia tanàna efatra. 19 Tontalin'ny tanànan'ny mpisorona, taranak'i Aarona, telo ambin'ny folo omban'ny manodidina azy. 20 Ny amin'ny finakavian'ny zanak'i Kaata izay Levita, dia ny zanak'i Kaata sisa kosa, dia tanàna avy amin'ny fokon'i Efraima, no azony tamin'ny loka.

21 Nomena azy Sikema, tanàna fialofan'izay namono olona, mbamin'ny tany manodidina azy, amin'ny tendrombohitr'i Efraima; 22 ary koa Gazera sy ny manodidina azy, Kibsaima sy ny manodidina azy, Beti-Horona sy ny manodidina azy; tanàna efatra. 23 Ny avy amin'ny fokon'i Dana, Eltekao sy ny manodidina azy, Gabatona sy ny manodidina azy, 24 Ajalona sy ny manodidina azy; Geta-Remona sy ny manodidina azy. Tanàna efatra. 25 Ny avy amin'ny antsasaky ny fokon'i Manase dia Tanaka sy ny manodidina azy ary Geta-Remona sy ny manodidina azy. Tanàna roa. 26 Folo no tontalin'ny tanàna omban'ny manodidina azy no an'ny fianakavian'ny zanak'i Kaata sisa. 27 Izao no nomena ny taranak'i Gersona, anisan'ny fianakavian'ny Levita: avy amin'ny antsasaky ny fokon'i Manase, ilay tanàna fialofan'izay namono olona, dia Gaolòna, any Basàna, sy ny manodidina azy; ary koa Bosrà sy ny manodidina azy; tanàna roa.

28 Avy ami'ny fokon'Isakara: Kesiona sy ny manodidina azy; 29 Dabereta sy ny manodidina azy; Jaramota sy ny manodidina azy, En-Ganima sy ny manodidina azy: tanàna efatra. 30 Avy amin'ny fokon'i Asera: Masala sy ny manodidina azy, Abdona sy ny manodidina azy, 31 Helkata sy ny manodidina azy, Rohaba sy ny manodidina azy: tanàna efatra. 32 Avy ami'ny fokon'i Neftalì ilay tanàna fialofan'izay namono olona, Kadesy any Galilea sy ny manodidina azy, ary Hamota-Dora sy ny manodidina azy, Kartàna sy ny manodidina azy, tanàna telo. 33 Tontalin'ny tanànan'ny Gersonita, araka ny fianakaviany, tanàna telo ambin'ny folo omban'ny manodidina azy. 34 Izao no nomena ny fianakavian'ny taranak'i Merarì, Levita sisa; avy amin'ny fokon'i Zabolona: Jeknama sy ny manodidina azy; Kartà sy ny manodidina azy;

35 Damnà sy ny manodidina azy, Naalola sy ny manodidina azy: tanàna efatra. 36 Avy ami'ny fokon'i Gada: ilay tanàna fialofan'izay namono olona, dia Ramota any Galaada sy ny manodidina azy, 37 ary koa Manaïma sy ny manodidina azy, Hesebona sy ny manodidina azy, Jazera sy ny manodidina azy: tanàna efatra izy rehetra. 38 Tontalin'ny tanàna azon'ny taranak'i Merarì, araka ny fianakaviany tamin'ny loka, dia ny fianakavin'ny Levita sisa: tanàna roa ambin'ny folo. 39 Ny tontalin'ny tanànan'ny Levita teo amin'ny fananan'ny taranak'Israely dia valo amby efapolo sy ny manodidina azy. 40 Samy manana ny tany manodidina azy avokoa ireo tanàna ireo; toy izany daholo ireo tanàna rehetra ireo. 41 Dia nomen'ny Tompo an'Israely avokoa izany, ny tany rehetra nianianany homena ny razanay, ka nalain'izy ireo ho fananany sy nonenany.

42 Nampandry fahalemana azy tami'ireo manodidina azy Iaveh, araka ny efa nianianany tamin'ny razany, ka tsy nisy nahatoha azy ny fahavalony na dia iray aza, ary natolotry ny Tompo teo an-tànany izy. 43 Tsy nisy foana akory, na dia iray aza, ny teny soa rehetra nolazain'ny Tompo tamin'ny taranak'Israely, fa tanteraka avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0442