Bokin'i Josoe

Toko faha-3

1 Dia nifoha maraina koa Josoe, ka niala tany Setima izy mbamin'ny zanak'Israely rehetra; nony tonga tao Jordany izy ireo dia nijanona teo, alohan'ny hitana azy.

2 Nony afaka hateloana, dia nitety ny toby ny manam-boninahitra, 3 ka nandidy ny vahoaka hoe: Rahefa hitanareo ny fiaran'ny faneken'ny Tompo Andriamanitrareo, entin'ny mpisorona Levita, dia mialà eo amin'ity toerana itobianareo ity, ka miaingà manaraka azy. 4 Asio elanelany sahabo ho arivo hakoho anefa aminareo sy izy, mba hahitanareo ny làlana hombanareo, fa làlana mbola tsy nalehanareo na oviana na oviana izany. 5 Ary hoy Josoe tamin'ny vahoaka: Hamasino ny tenanareo, fa hanao fahagagana eo afovoanareo Iaveh rahampitso. 6 Dia niteny tamin'ny mpisorona Josoe ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena ka mità eo alohan'ny vahoaka. Dia nentin'izy ireo ny fiaran'ny fanekena, ka nandroso teo alohan'ny vahoaka izy. 7 Hoy Iaveh tamin'i Josoe: Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason'Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an'i Moizy no ombàko anao koa.

8 Ary hianao dia manomeza izao didy izao amin'ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny fanekena: Rahefa tonga eo amoron'ny ranon'i Jordany hianareo, dia mijanòna ao anatin'i Jordany. 9 Ary Josoe nilaza tamin'ny zanak'Israely hoe: Manatòna hianareo, ary mihainoa ny tenin'ny Tompo Andriamanitrareo. 10 Dia hoy Josoe: Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahiny eo anoloanareo tokoa ny Kananeana, ny Heteana, ny Heveana, ny Ferezeana, ny Gergeseana, ny Amoreana, ary ny Jeboseana: 11 Indro handroso eo alohanareo ao anatin'i Jordany ny fiaran'ny faneken'ilay Tompon'ny tany rehetra; 12 koa ankehitriny mangalà roa ambin'ny folo lahy amin'ny fokon'Israely, dia lehilahy iray avy isam-pokony. 13 Ary raha vao miroboka ao anatin'ny ranon'i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny Tompo, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon'i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra. 14 Nony efa nivoaka ny lainy ny vahoaka hita an'i Jordany dia nialoha ny vahoaka ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny fanekena.

15 Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara, ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara - fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano, - 16 dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra tery lavitra ery, akaikin'ny tanànan'i Adoma, izay anilan'i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin'ny ranomasina Arabaha, dia ny ranomasin-tSira, ka nita tandrifin'i Jerikao ny vahoaka. 17 Nitsatoka tsy nihetsika tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, nandritra ny nitan'Israely rehetra tamin'ny tany maina, mandra-pahatafitan'ny firenena rehetra an'i Jordany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1178