Bokin'i Josoe

Toko faha-5

1 Nony ren'ny mpanjakan'ny Amoreana rehetra any an-dafin'i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan'ny Kananeana rehetra akaikin'ny ranomasina fa nataon'ny Tompo maina ny ranon'i Jordany teo anoloan'ny zanak'Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan'ny zanak'Israely izy.

2 Tamin'izany andro izany hoy Iaveh tamin'i Josoe: Manaova antsy vato ho anao, ka ataovy fanindroany ny famorana ny zanak'Israely.

3 Dia nanao antsy vato ho azy Josoe, ka namora ny zanak'Israely teo an-kavoana Aralota. 4 Izao no antony namoran'i Josoe azy: Ny vahoaka rehetra nivoaka avy tany Ejipta, ny lehilahy, ny mpiantafika rehetra dia efa maty tany an'efitra avokoa, teny an-dàlana, taorian'ny nivoahany avy tany Ejipta. 5 Fa efa voafora daholo ny vahoaka rehetra nivoaka, fa ny vahoaka rehetra teraka tany an'efitra, teny an-dàlana kosa, hatramin'izay nivoahana tany Ejipta dia tsy voafora. 6 Satria efapolo taona no nandehanan'ny zanak'Israely tany an'efitra, mandra-pahalany ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon'ny Tompo, ka efa nianianan'ny Tompo taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin'ny razany homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely. 7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoe, satria mbola tsy voafora avokoa, noho izy tsy noforàna teny an-dàlana. 8 Nony tapitra voafora avokoa ny firenena rehetra dia nijanona teo amin'izay nitoerany tao an-toby izy aloha, mandra-pahasitrany. 9 Ary hoy Iaveh tamin'i Josoe: Nesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta. Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany. 10 Nitoby tao Galgalà ny zanak'Israely, dia nanao ny Paka, tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana, rahefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak'i Jerikao.

11 Ny ampitson'ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin'ny vokatry ny tany. 12 Ary ny ampitson'ny Paka, rahefa nihinana tamin'ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak'Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin'izany taona izany. 13 Efa mby akaiky an'i Jerikao Josoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy Josoe, ka nanao taminy hoe: Momba anay va hianao sa momba ny fahavalo?

14 Tsia, hoy ny navaliny, fa filohan'ny tafik'Iaveh no tonga eto ankehitriny aho. 15 Nidaboka tamin'ny tany sy niankohoka Josoe, ka nanao taminy hoe: Inona no lazain'ny Tompoko amin'ny mpanompony? 16 Ary hoy ilay filohan'ny tafik'Iaveh tamin'i Josoe: Esory hiala amin'ny tongotrao ny kapanao, fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoe izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0656