Bokin'i Josoe
Josoe toko 6
Ny nahazo an'i Jerikao - Ny nanaovana anatema azy.
1Nihidy Jerikao, ka nirindrina hatraiza hatraiza noho ny amin'ny zanak'Israely: tsy nisy nivoaka, tsy nisy niditra ny olona.
2Ary hoy Iaveh tamin'i Josoe: Jereo, efa natolotro eo an-tànanao Jerikao, mbamin'ny mpanjakany sy ny olo-maheriny. 3Koa mandehana manodidina ny tanàna hianareo rehetra, dia ny lehilahy mpiantafika, mandehana hianareo manodidina indray maka ny tanàna, ka henemana hianareo hanao toy izany ihany. 4Mpisorona fito no hitondra trompetra fito mafy faneno eo alohan'ny fiara, ary amin'ny andro fahafito hianareo handeha manodidina impito ny tanàna, ary ny mpisorona hitsoka ny trompetra. 5Rahefa mitsoka ny trompetra mafy faneno izy ka renareo ny feon'ny trompetra, dia hanao akoralava ny vahoaka, ka hirodana ho azy ny mandan'ny tanàna, ary samy hiakatra amin'ny hitsiny avy ny vahoaka.
6Dia niantso ny mpisorona Josoe, zanak'i Nòna, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka aoka ny mpisorona fito hitondra trompetra fito mafy faneno eo alohan'ny fiaran'ny Tompo. 7Ary hoy izy tamin'ny vahoaka: Mandrosoa hianareo mandehana manodidina ny tanàna, ary aoka handeha eo alohan'ny fiaran'ny Tompo ny lehilahy mitam-piadiana.
8Nony efa niteny tamin'ny vahoaka Josoe, dia nandeha ireo mpisorona fito, nitondra ny trompetra fito mafy faneno, teo alohan'ny Tompo sy nitsoka trompetra, ary ny fiaran'ny faneken'ny Tompo dia nandroso teo aoriany. 9Ny lehilahy àry fiadiana nandeha teo alohan'ny mpisorona nitsoka trompetra, ary ny vody làlana kosa nanarakaraka ny fiara; teo am-pandehanana dia notsofina ny trompetra. 10Izao no didy efa nomen'i Josoe ny vahoaka: Aza manakora na miloa-peo, ary aza miloaka teny indraim-bava akory ny vavanareo, mandra-pahatongan'ny andro hilazako aminareo hoe: Manakorà. Fa amin'izay vao hanakora hianareo. 11Dia nandroso nanodidina ny tanàna ny fiaran'ny Tompo, dia nanodidina azy indray mandeha; ka rahefa izany dia niverina tany an-toby ny olona, dia nandry tao.
12Ny ampitson'iny, dia nifoha Josoe, ary nitondra ny fiaran'ny Tompo ny mpisorona. 13Niainga ny mpisorona fito nitondra ny trompetra fito mafy faneno, teo alohan'ny fiaran'ny Tompo ary nitsoka ny trompetra. Ny lehilahy àry fiadiana nandeha teo alohan'ireo, ary ny vody làlana nanarakaraka ny fiaran'ny Tompo. Teo am-pandehanana dia notsofina ny trompetra. 14Nandeha nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa, dia niverina tany an-toby; ka henemana izy nanao toy izany ihany.
15Tamin'ny andro fahafito vao mangiran-dratsy ny andro dia nifoha izy ireo, ka nandeha manodidina ny tanàna araka ny fanaony, nataony impito; androtr'io ihany no nandehanany impito manodidina ny tanàna. 16Nony tamin'ny fanimpitony raha nitsoka ny trompetra ny mpisorona, dia hoy Josoe tamin'ny vahoaka: Manakorà, fa efa natolotry ny Tompo anareo ny tanàna. 17Hatao anatema ho an'ny Tompo ny tanàna, dia izy mbamin'izay rehetra ao aminy; fa Rahaba janga irery no hovelomina, dia izy sy izay rehetra miaraka aminy ao an-trano, noho izy nanafina ny iraka nirahintsika. 18Tandremonareo anefa ny amin'ny zavatra natao anatema, fandrao mahatonga ny tobin'Israely ho anatema ka mampitabataba azy hianareo, raha maka zavatra amin'izay nataonareo anatema. 19Ny volafotsy amam-bolamena rehetra, mbamin'ny fanaka varahina sy vy, dia hatokana ho an'ny Tompo avokoa, ka hiditra amin'ny rakitry ny Tompo. 20Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trompetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon-trompetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin'ny hitsiny avy ny vahoaka. 21Nony azo ny tanàna dia natolotra ho anatema tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izay rehetra tao amin'ny tanàna, na lahy na vavy, na tanora na antitra, ary na dia hatramin'ny omby aman'ondry sy ny ampondra aza.
22Ary hoy Josoe tamin'izy roa lahy izay nisafo ny tany: Midira ao an-tranon'ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy izay rehetra azy, araka ny efa nianiananareo taminy. 23Dia niditra ireo zatovo ireo mpisafo tany, ka nentiny nivoaka Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny anadahiny mbamin'izay rehetra azy; nentiny nivoaka ny olona rehetra amin'ny fianakaviany, dia nataony any ivelan'ny tobin'Israely.
24Dia nodoran'ny zanak'Israely ny tanàna mbamin'izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy amam-bolamena, mbamin'ny fanaka rehetra varahina sy vy, izay napetrany ao amin'ny rakitry ny tranon'ny Tompo. 25Novelomin'i Josoe Rahaba janga, sy ny ankohonan-drainy mbamin'izay rehetra azy, ka mitoetra eo amin'Israely mandraka androany izy, noho izy nanafina ny iraka nirahin'i Josoe hisafo an'i Jerikao.
26Tamin'izany andro izany Josoe nianiana nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'ny Tompo izay olona hitsangana hanorina indray ity tanànan'i Jerikao ity; ny lahimatoany no hanefany ny sazin'ny hanorenany ny fotony, ary ny faralahiny no hanefany ny sazin'ny hananganany ny vavahadiny. 27Nomban'ny Tompo Josoe, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany. >