Bokin'i Josoe

Toko faha-9

1 Nony nandre izany ny mpanjaka rehetra aty an-dafin'i Jordany, na ny eny amin'ny tendrombohitra na ny eny amin'ny tany lemaka na ny amoron-tsiraky ny ranomasina lehibe, tandrifin'i Libàna, ny Amoreana, ny Kananeana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jeboseana,

2 dia niray hina hiara-miady amin'i Josoe sy Israely. 3 Fa ny mponina tao Gabaona kosa, nony nandre ny nanaovan'i Josoe an'i Jerikao sy Haia,

4 dia nanao hafetsena. Niainga handeha izy ka nitondra vatsy ho eny an-dàlana; lasàka tonta sy siny hoditra fasian-divay efa rovitra sy mizaitra no nataony teo ambonin'ny ampondrany, 5 kapa tranainy sy mitampintampina no teo amin'ny tongony, lamba tonta no teo an-kodiny, ny mofo hohaniny dia maina sy efa potipotika avokoa. 6 Dia nankany amin'i Josoe tao an-toby tany Galgalà izy ireo, ka niteny taminy sy tamin'ny lehilahy rehetra tamin'Israely hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koan ankehitriny, aoka mba hanao fanekena aminay hianareo. 7 Fa namaly ireto Heveana ny lehilahy tamin'Israely: Sao dia monina eto aminay ihany hianareo, ka ahoana no hanaovanay fanekem-pihavanana aminareo? 8 Dia hoy ireo tamin'i Josoe: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoe taminy: Iza moa hianareo, ary avy aiza? 9 Dia hoy izy ireo: Tonga avy any an-tany lavitra indrindra ny mpanomponao noh ony anaran'ny Tompo Andriamanitrao, fa nandre ny lazany izahay sy izay rehetra nataony tany Ejipta, 10 ary ny nanaovany ny mpanjakan'ny Amoreana roa lahy tany an-dafin'i Jordany, dia Sehona mpanjakan'i Hasebona sy Oga mpanjakan'i Basàna, izay nonina tany Astarota. 11 Ka hoy ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay taminay: Mitondrà vatsy ho any an-dàlana, ka mandehana mitsena azy ireo, ary lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny aoka mba hanao fanekem-pihavanana aminay hianareo. 12 Jereo ny mofonay, vao nafana itony no nalainay tany an-tranonay hatao vatsy, tamin'ny andro niainganay ho aty aminareo, ary izao kosa dia indro fa efa maina sy potipotika.

13 Mbola vao ireto siny hoditra fasiana divay ireto no nofenoinay azy, nefa he, rovitra izy ankehitriny, ary ny lamba aman-kapanay dia nihatonta, fa lavitra dia lavitra ny dia nalehanay. 14 Dia nangalan'ny lehilahy tamin'Israely ny vatsin'izy ireo, nefa tsy nanontany izay tenin'ny Tompo izy; 15 ary nanaiky hihavana amin'izy ireo Joseo, sy nanao fanekem-pihavanana taminy fa hovelominy izy; sady nianiana taminy araka izany koa ny lohan'ny fiangonana. 16 Kanjo, hateloana taorian'ny nanaovana ny fanekem-pihavanana dia re fa mifanakaiky aminy sy monina eo aminy ihany ireo.

17 Koa niainga ny zanak'Israely dia tonga tany an-tanànan'izy ireo nony afaka hateloana; ny tanànany dia Gabaona, Kfira, Berota ary Kariatiarima. 18 Noho ny fianianana nataon'ny lohan'ny fiangonana taminy tamin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely dia tsy namely azy ireo izy, nefa nimonomonona tamin'ny filohany, ny fiangonana rehetra. 19 Ka hoy ny filohany rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Efa nanao fianianana taminy izahay tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ary izao tsy mahazo mikasika azy isika. 20 Fa izao no hanaovantsika azy: Havelantsika ho velona ihany izy, mba tsy hitarika ny fahatezeran'ny Tompo amintsika noho ny fianianana efa nataonay taminy. 21 Ka aoka ho velona àry izy, hoy ireto filohany tamin'izy ireo. Dia natao mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra ireo, araka ny voalazan'ny filohany taminy. 22 Ary nampiantso ny Gabaonita Josoe, ka niteny taminy hoe: Ahoana no namitahanareo anay hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, nefa hianareo monina aty afovoanay ihany?

23 Koa ankehitriny, voaozona hianareo, ka tsy hisy aminareo tsy ho andevo hikapa hazo sy hantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitra. 24 Dia izao no navalin'izy ireo an'i Josoe: Nambara tamin'ny mpanomponao ny didy nomen'ny Tompo Andriamanitrao an'i Moizy mpanompony mba hanolotra anareo avokoa ny tany rehetra ary mba handringananareo eo anoloanareo ny mponina rehetra amin'ny tany. Nony mby akaiky hianareo, dia natahotra mafy ny ho faty izahay, ka izany no nanaovanay toy izao. 25 Indreto izahay ankehitriny eo an-tànanao, ka ataovy aminay izay ataonao ho mety sy marina hanaovana anay. 26 Nataon'i Josoe tamin'izy ireo ny voalazany: nanafaka azy teo an-tànana'ny zanak'Israely izy mba tsy hataony maty. 27 Hatramin'izay andro izay ihany, dia naraikitr'i Josoe izy ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ny otelin'ny Tompo any amin'ny fitoerana izay hofidin'ny Tompo, ary mbola nanao izany mandraka androany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1613