Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana
Kolosiana toko 3, 1-4,
Ny fiainam-baovao mendrika ny kristianina ialana ny ratsy rehetra - Ny toetra masina tsy maintsy hatao - Ny adidin'ny mpivady, zanaka, mpanompo.
1Koa raha niara-nitsangana tamin'ny Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izay itoeran'ny Kristy eo an-kavanan'Andriamanitra, no katsaho; 2ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. 3Fa maty hianareo, ary miara-miafina amin'ny Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainanareo; 4fa rahefa hiseho ny Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa hianareo. >