Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko faha-3

14 Fa ambonin'izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin'ny hatsaram-panahy rehetra. 15 Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'ny Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie hianareo. 17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an'Andriamanitra Ray amin'ny alàlany. 23 Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo tokoa, toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olombelona, 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa ny Kristy Tompo hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0535