Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana
Kolosiana toko 4
Adidin'ny tompo - Anatra samihafa - Ny amin'i Tisiko sy Onesimo - Fanaovam-beloma.
1Hianareo tompo, manaova ny marina sy ny mety amin'ny mpanomponareo; fa fantatrareo fa manan-Tompo any an-danitra koa hianareo.
2Mahareta amin'ny fivavahana; ataovy amim-piambenana sy fisaorana izany. 3Ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana hitorianay teny, sy hanambarako ny zava-miafina ny amin'ny Kristy, izay hany ifatorako izao, 4ary hampahafantarako azy araka ny tokony hilazako azy. 5Mahaiza mitondra tena amin'izay eo ivelany; ary mahaiza manararaotra ny fotoana. 6Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.
7Ny amin'ny zavatra rehetra momba ahy, dia Tisiko, rahalahy malala, sy mpandraharaha mahatoky, ary mpiara-manompo amiko ao amin'ny Tompo, hampahafantatra izany aminareo; 8fa ny handrenesanareo ny toetray indrindra, sy ny hanafaka alahelo ny fonareo no nanirahako azy ho atý aminareo. 9Onesimo, rahalahy malala sy mahatoky, izay avy atý aminareo koa, dia miaraka aminy; ka dia izy roa lahy no hampahalala anareo ny zavatra rehetra atý.
10Manao veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, zanak'anabavin'i Barnabe (efa nahazo didy ny amin'izy hianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atý aminareo). 11Manao veloma anareo koa Jesoa, ilay atao hoe Jostosa: izy telo lahy ireo no hany voafora amin'izay miara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra; nanafaka alahelo ahy fatratra ireo. 12Manao veloma anareo Epafrasy, mpanompon'ny Kristy, avy atý aminareo; miady ho anareo mandrakariva izy amin'ny fivavahany, mba ho lavorary sy hatoky tsara hianareo ka hitoetra mafy amin'izay rehetra mety ho sitra-pon'Andriamanitra; 13izaho no vavolombelona fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodisea ary ho an'ny any Hierapolisy izy. 14Manao veloma anareo Lioka malala, dokotera, sy Demasy.
15Veloma any amin'ny rahalahy any Laodisea sy any amin'i Nimfa mbamin'ny Eglizy ao an-tranony. 16Rahefa voavaky atý aminareo ity taratasy ity, asaovy hovakina any amin'ny Eglizy any Laodisea koa; dia hoavakinareo kosa ilay avy any Laodisea. 17Lazao amin'i Arkipo izao: Tandremo ny fandraharahana noraisinao tao amin'ny Tompo, mba hahatanterahanao azy tsara.
18Veloma, hoy izaho Paoly, amin'ity sora-tànako ity. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana. Amena. >