Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 15, 26-28
<26Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena, fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony. 27Ary rahefa nataony hoe: Nampanekena ny zavatra rehetra, dia fantatra mazava fa tsy anisan'izany izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra. 28Koa rahefa nampanekena azy ny zavatra rehetra, na izy Zanaka koa aza dia hanaiky izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra, mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra. >