Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
1 Korintiana toko 15, 7-11
<7Rahefa izany, dia niseho tamin'i Jakoba izy, vao tamin'ny Apostoly rehetra.
8Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.
9Fa ambany indrindra amin'ny Apostoly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apostoly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin'Andriamanitra aho;
10saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko.
11Koa izany àry no torinay, na izaho na izy ireo; ary izany koa no ninoanareo. >