Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-3

18 Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin'izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry.

19 Satria ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry no hamandrihako azy; 20 ary koa hoe: Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany. 21 Koa aza misy manao olona ho reharehany, 22 fa anareo ny zavatra rehetra, na Paoly, na Apolo, na Sefasy, na izao tontolo izao, na fiainana na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany; 23 hianareo kosa an'ny Kristy, ary ny Kristy an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0474