Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-4
6 Ary noho ny aminareo, ry rahalahy, dia nahodiko mankamin'ny tenako sy Apolo izany zavatra izany, hianaranareo ao amin'ny tenanay tsy hanao mihoatra noho izay voasoratra, mba tsy hoentim-piavonavonana hianareo hanandratra ity, nefa hanetry an'irý kosa.7 Fa zovy moa no manambony anao noho ny hafa? Ary inona no anananao ka tsy noraisinao? Ary raha nandray hianao, nahoana no dia mirehareha toy ny tsy nandray iny? 8 Efa voky sahady mantsy hianareo izany e! Efa manan-karena sahady à! Efa manjaka lavitra anay! Enga anie ka ho izany tokoa hianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo. 9 Fa izahay Apostoly, araka ny fijeriko ny tenanay, dia hoatra ny nasehon'Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty, natao fizàhan'izao tontolo izao, na anjely, na olombelona. 10 Izahay moa, adala noho ny amin'ny Kristy, hianareo kosa hendry ao amin'ny Kristy! Izahay osa, fa hianareo no matanjaka; izahay faneso, hianareo kosa fanaja. 11 Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, 12 ary misasatra miasa amin'ny tànanay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka; 13 mova tsy izahay iny no fakon'izao tontolo izao, sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao. 14 Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an'izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.
15 Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin'ny Kristy, dia tsy maro ray hianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin'ny Evanjely ao amin'ny Kristy.