Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-5
1 Re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atý aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin'ny jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!2 Izany ve ka hianareo indray no miavonavona e! ny tenanareo tsy malahelo amin'izany akory; ilay nanao izany tsy nesorinareo tsy ho eo aminareo koa. 3 Izaho, na dia tsy teo aminareo amam-batana aza, dia teo am-panahy, sy efa nitsara sahady an'ilay nanao izany zavatra izany, toy ny teo aminareo ihany. 4 Koa amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo, omban'ny herin'i Jesoa Tompontsika: 5 dia aoka izany olona izany hatolotra an'i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo. 6 Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erý! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarina manontolo? 7 Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao hianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo hianareo, satria efa voavono ny Kristy, izay Paka ho antsika. 8 Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin'ny lalivay ela, na amin'ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin'ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.