Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-6
1 Adre! hay aminareo dia misy manana ady amin'ny namany, ka sahy mangataka fitsarana amin'ny olona tsy marina, fa tsy amin'ny olona masina!2 Tsy fantatrareo va fa ny olo-masina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara ny anjely aza isika? Ka mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao! 4 Koa raha ady momba ny zavatr'izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, na izay farany ambany amin'ny Eglizy aza ve tsy ho azonareo tendrena ho mpitsara amin'izany? 5 Hampahamenatra anareo no ilazako izany. Hay, dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray aza, mba afa-mamboatra ny adin'ny rahalahiny? 6 Fa rahalahy, ka dia hanana ady amin-drahalahy, sady eo anatrehan'ny mpitsara tsy mpino indray! 7 Efa hadisoana ho anareo sahady ny anananareo ady amin'ny namanareo, satria tsy aleo ve miaritra ny tsy an-drariny? Tsy aleo ve mandefitra ny ambakaina aza? 8 Kanjo inona, hianareo indray no manao ny tsy rariny, hianareo indray no manambaka, nefa tsy iza ireny, fa rahalahinareo ihany! 9 Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra hianareo, fa na mpinjangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin'olona,
10 na mpanao asam-pijangajangana amin'ny tenany samy irery, na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra, na kahihitra, na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11 Ary efa mba toy izany ihany koa hianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompo, sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitra hianareo.