Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana
Toko faha-11
1 Enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko hianareo! Eny, mahay mandefitra ahy tokoa hianareo.2 Manana fahasaropiaron'Andriamanitra ny aminareo aho, satria natolotro ho fofom-badin'ny lehilahy anankiray hianareo, dia ny Kristy, mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio. 3 Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin'ny Kristy, toy ny namitahan'ny bibilava an'i Eva tamin'ny hafetsen-dratsiny. 4 Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay, na hianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo, na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo, dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy. 5 Fa angaha misy maha-latsa-danja ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo? 6 Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa, araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin'ny zavatra rehetra. 7 Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo, ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin'Andriamanitra taminareo? 8 Ny an'ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho, mba hoentiko miasa aty aminareo. 9 Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza, dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny rahalahy avy any Masedonia no nanome izay nilaiko. Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo, ary mbola hotandremako koa aza izany. 10 Raha ao anatiko koa ny fahamarinan'ny Kristy, marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran'i Akaia manontolo izany. 11 Nahoana àry? Noho ny tsy fitiavako anareo ve? Andriamanitra no mahalala.