Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

2 Korintiana toko 5, 6-10.

       <6Koa noho izahay manana mandrakariva izany toky izany, sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin'ny vatana koa 7(satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana), 8dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin'ny vatana, mba hitoetra eo akaikin'ny Tompo. 9Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahan'ny Tompo, na mitoetra amin'ny vatana izahay na miala aminy. 10Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin'ny fitsaran'ny Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin'ny asantsika fony mbola tao amin'ny vatana, na soa na ratsy izany. >