Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 1, 1-5
Fiarahabana - Fisaorana an'Andriamanitra - Aoka hofoanana ny fisarahan-kevitra - Lavina ny fahendren'izao tontolo izao - Ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra.

       1Paoly voaantso ho Apostolin'i Jesoa-Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahy 2mamangy ny Eglizin'Andriamanitra any Korinto, dia ireo mpino nohamasinina ao amin'i Jesoa-Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy: 3ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa-Kristy Tompo.
       4Isaorako an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan'Andriamanitra nomena anareo ao amin'i Jesoa-Kristy: 5fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, dia amin'ny teny rehetra sy amin'ny fahalalana rehetra; >