Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 15, 20-26

       <20Tsy izany anefa, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Kristy, ary izy no santatr'izay efa nody mandry; 21satria olona iray no nihavian'ny fahafatesan'ny olona ka dia olona iray koa no ihavian'ny fitsanganan'ny maty; 22ary toy ny ahafatesan'ny olon-drehetra ao amin'i Adama, no hahaveloman'ny olon-drehetra ao amin'ny Kristy, 23fa manaraka ny laharany avy: ny Kristy no santatra, dia izay an'ny Kristy amin'ny andro hihaviany. 24Rahefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony amin'Andriamanitra sy amin'ny Ray ny fanjakana, rahefa levony avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. 25Satria tsy maintsy manjaka izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin'ny tongony. 26Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena, fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony. >