Levitika

Toko voalohany

1 Ary Iaveh niantso an'i Moizy ka niteny taminy tao amin'ny trano lay fihaonana, nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo hanao fanatitra amin'ny Tompo dia biby fiompy no ataovy, na ny vaventy na ny madinika. 3 Raha biby vaventy no ateriny ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan'ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'ny Tompo.

4 Hametra-tànana eo ambonin'ny lohan'ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy. 5 Izy no hamono ny vantotr'ombalahy eo anatrehan'ny Tompo; ary ireo mpisorona zanak'i Aarona kosa, hanolotra ny rà sy handraraka azy manodidina eo ambonin'ny otely izay ao amin'ny fidirana amin'ny lay fihaonana. 6 Endahana ny sorona dorana dia raisina ho didiny. 7 Ary hanisy afo eo ambony otely ny zanak'i Aarona mpisorona sy hanohoka kitay hazo eo ambonin'ny afo; 8 izay vao alahatry ny mpisorona zanak'i Aarona eo ambonin'ny kitay hazo, eo amin'ny afo, ny didin-kena mbamin'ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra. 9 Sasana amin'ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran'ny mpisorona hanetona eo ambony otely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 10 Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak'ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,

11 dia hovonoiny izy io eo amin'ny lafiny avaratry ny otely, eo anatrehan'ny Tompo, ary ny mpisorona zanak'i Aarona handraraka ny rà manodidina eo ambonin'ny otely. 12 Horasaina araka ny didiny izy, mbamin'ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra, dia alahatry ny mpisorona eo ambony kitay hazo voatohoka eo amin'ny afon'ny otely. 13 Hosasany amin'ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray hatolotry ny mpisorona sy hodorany hanetona eo ambony otely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 14 Raha vorona hatao sorona dorana no ateriny amin'ny Tompo, dia domohina na vanto-boromailala no hateriny.

15 Hoentin'ny mpisorona ao amin'ny otely ny vorona, ka hofolahiny amin'ny hohony ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin'ny otely ny rany. 16 Hoesoriny ny takorobabony mbamin'izay maloto rehetra ao aminy, dia hariany eo akaikin'ny otely amin'ny atsinanany, eo amin'ny fitoeran-davenona. 17 Izay vao hosamahiny amin'ny elany ny vorona, tsy atao hentitra, dia hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely, eo ambonin'ny kitay hazo voatohoka amin'ny afo. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0391