Levitika

Toko faha-11

1 Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh nanao tamin'izy ireo hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Izao no ho biby fihinanareo amin'ny biby rehetra eto ambonin'ny tany: 3 Ny biby rehetra mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika no hohaninareo; 4 fa ny mandinika fotsiny na mivaky kitro fotsiny tsy hohaninareo. Ohatra ny rameva, izay mandinika nefa tsy mivaky kitro, dia ho maloto aminareo. 5 Ohatra ny zerboaza, izay mandinika fa tsy mivaky kitro, dia ho maloto aminareo. 6 Ohatra ny bitro, izay mandinika fa tsy misampan-tongotra, dia ho maloto aminareo. 7 Ohatra ny kisoa, izay mivaky kitro sy misampan-tongotra nefa tsy mandinika, dia ho maloto aminareo. 8 Koa aza mihinana ny henany, na mikasika izay fatiny akory, fa maloto aminareo ireny. 9 Izao kosa no ho biby fihinanareo, amin'ny biby rehetra ao anaty rano: Izay rehetra misy vombony sy misy kirany ao anaty rano, na ao an-dranomasina, na ao an-drenirano, no hohaninareo.

10 Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin'ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin'ny zava-manan'aina rehetra misy ao. 11 Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy ho zava-betaveta ny fatiny. 12 Izay tsy misy vombony na kirany ao anaty rano, dia ho zava-betaveta avokoa aminareo. 13 Amin'ny vorona kosa, dia ireto no ho zava-betaveta ho anareo ka tsy hohanina, fa zava-betaveta:

14 ny egla, ny arofiray, ny papango, ny fanindry, ny voromahery isan-karazany, 15 ny goaika isan-karazany; 16 ny aostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika isan-karazany; 17 ny vorondolo, ny manarana, ny vorondolobe, 18 ny gisabe, ny pelikano, ny zipaety, 19 ny vanobe, ny vano isan-karazany; ny lavasanga, ny ramanavy. 20 Ny biby madinika rehetra manan'elatra, mandia tongotr'efatra, ho zava-betaveta aminareo.

21 Amin'ny biby madinika manan'elatra mandia tongotr'efatra anefa, hano ihany izay manam-pingotra ambony faladiany, hitsipihany eo amin'ny tany. 22 Ireto no ho fihinanareo amin'ireny: ny valala isan-karazany, ny solama isan-karazany, ny hargola isan-karazany, ny hagaba isan-karazany. 23 Fa ny biby hafa manan'elatra mandia tongotr'efatra, dia ho zava-betaveta aminareo avokoa. 24 Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan'ny andro;

25 ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan'ny andro. 26 Ny biby rehetra mivaky kitro, nefa tsy misampan-tongotra sy tsy mandinika, dia haloto aminareo, ka haloto izay rehetra mikasika azy. 27 Amin'ny biby mandia tongotr'efatra, izay mandeha amin'ny faladiany dia haloto aminareo, ka haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny; 28 ary izay rehetra nitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan'ny andro. Ho zava-maloto aminareo ireo biby ireo. 29 Amin'ny biby madinika mandady amin'ny tany, ireto no ho maloto aminareo: ny kionkiona, ny totozy, ny androngo isan-karazany;

30 ny mosaraina, ny tanalahy, ny salamandry, ny tsatsaka, ary ny taopy. 31 Ireo no ho maloto aminareo amin'ny biby mandady; ka haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatin'ireo. 32 Haloto avokoa ny zavatra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, na inona na inona zavatra ampiasaina, ka hapetraka ao anaty rano izany ary haloto mandra-paharivan'ny andro, vao hadio. 33 Ary raha misy zavatra avy amin'ireny sendra tafalatsaka ao anatin'ny vilany tany, dia haloto avokoa izay rehetra ao anatin'ny vilany, ka homontsaninareo ny vilany. 34 Haloto ny zava-pihinana rehetra nandrahoina tamin'ny rano, haloto ny zava-pisotro izay isotroana na inona tavy misy azy. 35 Haloto avokoa ny fanaka ilatsahan-javatra avy amin'ny fatin'ireny, ka ravàna ny lafaoro mbamin'ny vilany aman-tsarony, fa haloto izy, ka hataonareo ho zava-maloto. 36 Ny loharano anefa mbamin'ny lavaka fantsakana izay fiangonan-drano, dia hitoetra ho madio ihany, fa izay mikasika ny fatin-javatra no haloto. 37 Raha voa hafafy no ilatsahan-javatra avy amin'ny fatin'ireny, dia hitoetra ho madio ihany; 38 raha nasian-drano anefa ny voa hafafy, no nianjeran-javatra avy amin'ny fatin'ireny, dia hataonareo ho zava-maloto. 39 Raha biby azonareo hanin-kena no maty, izay mikasika ny fatiny haloto mandra-paharivan'ny andro,

40 ary izay mihinana ny fatiny, hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan'ny andro; izay hitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan'ny andro. 41 Ny biby rehetra mandady amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo, ka tsy hohanina.

42 Aza misy haninareo rahefa mety ho biby mandady amin'ny tany, na ireo mikisaka amin'ny kibony, na ireo mandia tongotr'efatra, na ireo manana tongotra maro, fa ho zava-betaveta ireny aminareo. 43 Aza mametaveta ny tenanareo amin'ireny biby mandady rehetra ireny; aza mandoto ny tenanareo amin'ireny fa hahazo loto avy amin'ireny hianareo. 44 Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo, ka hanamasina ny tenanareo hianareo dia ho masina satria masina aho; aza mandoto ny tenanareo amin'izay biby rehetra mandady amin'ny tany.

45 Fa izaho no Iaveh nampiakatra anareo avy any amin'ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Aoka ho masina hianareo, satria masina aho. 46 Izany no lalàna momba ny biby mandia tongotr'efatra, ny vorona, ny zava-miaina rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, ary izay rehetra mandady amin'ny tany,

47 mba hanavahanareo izay maloto sy izay madio ary ny biby fihinana sy izay tsy fihinana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.05