Levitika
Levitika toko 12
Lalàna momba ny vehivavy velom-bao.
1Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe: 2Mitenena amin'ny zanak'Israely ataovy hoe: ny vehivavy miteraka, raha tera-dahy, dia haloto hafitoana, haloto tahaka ny amin'ny andro aharariany amin'ny fadim-bolany izy. 3Amin'ny andro fahavalo ny zaza hoforana; 4fa izy mbola haharitra telo amby telo-polo andro amin'ny ra hidiovany, ka tsy hikasika zava-masina, na ho any amin'ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany. 5Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, toy ny amin'ny andro aharariany amin'ny fadim-bolany; ary haharitra enina amby enimpolo andro amin'ny rà hidiovany. 6Rahefa tapitra ny andro fidiovany, araka izay zaza naterany, na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin'ny mpisorona ao anoloan'ny trano lay fihaonana, zanak'ondry iray efa iray taona, hatao sorona dorana; ary vanto-boromailala iray, na domohina iray, atao sorona noho ny ota. 7Ny mpisorona hanolotra izany eo anatrehan'ny Tompo ka hanao ny fanonerana ho azy, dia hadio amin'ny nandehanan'ny rany izy. Izany no lalàna momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy. 8Raha tsy manan-kamidy ny zanak'ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan'ny mpisorona ny fanonerana ho azy, dia hadio izy. >