Levitika
Toko faha-13
1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:2 Raha mamontsina ny hoditry ny nofon'ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokàna amin'ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin'i Aarona mpisorona izy, na eo amin'ny iray amin'ireo zanany, mpisorona.