Levitika
Levitika toko 13, 1-2
Lalàna momba ny habokàna.
1Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 2Raha mamontsina ny hoditry ny nofon'ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokàna amin'ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin'i Aarona mpisorona izy, na eo amin'ny iray amin'ireo zanany, mpisorona. >