Levitika
Levitika toko 13, 1-2,44-46,
Lalàna momba ny habokàna.
1Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 2Raha mamontsina ny hoditry ny nofon'ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokàna amin'ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin'i Aarona mpisorona izy, na eo amin'ny iray amin'ireo zanany, mpisorona. 44dia olona boka izy, ka maloto, ary holazain'ny mpisorona hoe maloto: eo amin'ny lohany ny feriny.
45Izay boka ferèna dia hanao fitafiana voatriatra, ny volony harakarakany, ny volom-bavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: Maloto e, maloto e! 46Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan'ny feriny. Maloto izy, ka hitokana irery, any ivelan'ny toby. >