Levitika

Toko faha-18

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 3 Aza manao toy ny ataon'ny any amin'ny tany Ejipta izay nonenanareo, ary aza manao toy ny ataon'ny any amin'ny tany Kanaana, izay hitondrako anareo; aza manaraka ny lalàn'ireny hianareo. 4 Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny lalàko no hotandremanareo, ka harahinareo izany, fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 5 Tandremo ny lalàna amam-pitsipiko, fa ny olona manaraka izany, no ho velona amin'izany. Izaho no Iaveh. 6 Aza misy manatom-behivavy, havany akaiky, mba hanokatra ny fitanjahany. Izaho no Iaveh.

7 Aza manokatra ny fitanajahan-drainao, na ny fitanjahan-dreninao, fa reninao izy, ka aza manokatra ny fitanjahany. 8 Aza manokatra ny fitanjahan-drenikelinao, fa fitanjahan-drainao izany. 9 Aza manokatra ny fitanjahan'ny anabavinao, zana-drainao, na zana-dreninao, teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza manokatra ny fitanjahany. 10 Aza manokatra fitanjahan'ny zanakavavin'ny zanakao lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao vavy, fa fitanjahanao izany. 11 Aza manokatra ny fitanjahan'ny zanakavavin'ny vadin-drainao natera-drainao, fa anabavinao izy. 12 Aza manokatra ny fitanjahan'ny anabavin-drainao, fa nofon-drainao izany. 13 Aza manokatra ny fitanjahan'ny rahavavin-dreninao, fa nofon-dreninao izany. 14 Aza manokatra ny fitanjahan'ny rahalahin-drainao amin'ny fakana ny vadiny, fa anabavin-drainao izy. 15 Aza manokatra ny fitanjahan'ny vinantovavinao, fa vadin-janakao izy. Aza manokatra ny fitanjahany. 16 Aza manokatra ny fitanjahan'ny vadin-drahalahinao, fa fitanjahan'ny rahalahinao izany. 17 Aza manokatra ny fitanjahan'ny vehivavy aman-janany vavy, aza maka ny zanakavavin'ny zanany lahy, na ny zanakavavin'ny zanany vavy, mba hanokatra ny fitanjahany, fa mpihavana akaiky izy, ka mahameloka. 18 Aza maka ny rahavavin'ny vadinao ho rafiny, amin'ny fanokafana ny fitanjahany sy ny an'ny vadinao izay mbola velona. 19 Aza manatom-behivavy mandritra ny fahalotoam-padim-bolany mba hanokatra ny fitanjahany.

20 Aza mikambana amin'ny vadin'ny namanao, handoto tena aminy. 21 Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an'i Moloka ny zanakao; aza mametaveta ny anaran'ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh. 22 Aza mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, fa fahavetavetana izany. 23 Aza mandry amin'ny biby handoto tena aminy. Aoka ny vehivavy tsy hijanona eo anoloan'ny biby handoto tena aminy, fa zava-mahamenatra izany. 24 Aza mandoto tena amin'ireo zavatra ireo, na dia iray aza, fa tamin'ireo no nandoto tena ny firenena horoahiko eo anoloanareo.

25 Voaloto ny tany, ka hovaliako ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo aminy. 26 Fa hianareo kosa, hitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, ka tsy hanao amin'ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza, na hianareo tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo afovoanareo. 27 Fa ireo fahavetavetana rehetra ireo, no nataon'ny olon'izany tany izany, izay nonina tao talohanareo, ka izany no nahaloto ny tany. 28 Ary hianareo tsy mba haloan'ny tany amin'ny fandotoana azy, toy ny nandoavany an'ireo firenena izay tao talohanareo; 29 satria hofongorana amin'ny fireneny izay rehetra manao ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza. 30 Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin'ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin'izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3159